MAG65-0123 Famorian-drano Mitriatriatra VGR

sy ny sisa, ary nihaino an'ireo fivorian'izy ireo aho tamin'io andro io. Ary ny andro manaraka dia nangataka ahy izy ireo ho tonga eny amin'ny lampihazo, mba ...
131KB Größe 3 Downloads 10 vistas
FAMORIA N-DRA NO M ITR IATR IATRA Tompo, mino aho; Tompo, mino aho, Azo atao ny zavatra rehetra; Tompo, mino aho. 2 Ndao isika hitohy hitsangana vetivety fotsiny ka hanondrika ny lohantsika. Tompo Jesosy, miezaka izahay amin’ny fombanay manetry tena, hampiseho Aminao, amin’ny fihirana an’izany, fa mino izahay. Ary mivavaka izahay, Tompo, amin’izao ankehitriny izao, mba Hanohizanao mamaky ilay Mofon’Aina aminay, manome anay an’izay ilainay, avy amin’ny Teninao. Fa mangataka izany amin’ny Anaran’i Jesosy izahay. Amena. 3 Afaka mipetraka ianareo. Tena azoko antoka, raha afaka isika, raha hilaza teny ampy tanteraka aho ankehitriny ny amin’ny “amena,” fa ireo fitahian’Andriamanitra mendrika dia hitoetra eto amin’ity mpihaino ity. 4 Nipetraka aho aninkeo maraina ary nihaino tsara ny fivoriana, nifaly tamin’ireo fijoroana vavolombelona, ireo fomba samihafa izay nananan’ny tsirairay nanehoana ny tenany. Ary mba handre an’ireo vahiny vao tonga, ilay rahalahy Batista eto izay tonga mba hifona ny amin’ny fiheverana an’ilay izy ho fahadisoana kely. Koa izaho—izaho dia tena mankasitraka tokoa ny olombelona, olona izay mety ho olombelona feno, na—na tena mahalala fomba, ihany koa, raha mihevitra izy fa nanao fahadisoana anankiray izy. Tena tsy tamiko izy no nifona, tsy izaho no nifonany, fa Andriamanitra izany. Koa izaho—izaho dia mankasitraka an’izany, hitanareo. Andriamanitra hitahy ny rahalahintsika, ary ny rahalahiny evanjelista. 5 Oadray, io Batista io, fantatrareo, an’ny fiangonana Batista ny tenako taloha. Mpikambana tao amin’ny Missionary Baptist Church aho. Rehefa tonga teo anivon’ny olona aho, dia fantatro hoe ahoana ny fahatsapanareo. Nahatsapa toy izany koa aho, feno fotsiny zavatra izay izaho—izaho tsy nahafantatra. 6 Tsaroako ny fahatsapako voalohany tamin’ny nahitana pentekotista anankiray, tany Dowagiac izany, Michigan…Miala tsiny aminareo aho, tany Dowagiac aho tamin’ny dia fanjonoana anankiray, ary nidina avy tany Dowagiac, dia nidina tao Indiana. Ary tamin’izany aho no nahita an’ireo anarana, ny “Jesosy” teny ambony fiara rehetra 

2

NY TENY VOAMBARA

sy ny sisa, ary nihaino an’ireo fivorian’izy ireo aho tamin’io andro io. Ary ny andro manaraka dia nangataka ahy izy ireo ho tonga eny amin’ny lampihazo, mba hilaza teny fohy, ary nanao aho. Ary izaho…Nanontany ahy izy ireo hoe inona ny fiangonana misy ahy, ary nolazaiko azy ireo fa Batista aho. 7 Ary tamin’izany alina izany dia nanana lehilahy mainty hoditra anankiray izy ireo izay nandeha nitory teny, ary mety ho teo amin’ny faha-valopolo taonany izy io, ary niseho teo amin’ny lampihazo izy. Io sakaiza antitra io, saiky izy rehetra no tsy maintsy nitarika azy. Izy dia, iray amin’ireo manao akanjo lava an’ny mpitoriteny, ilay vozon’akanjo volory, ka ny sisiny dia volom-biby fotsy anankiray fotsiny manodidina ny rirany. Dia nieritreritra aho hoe, “Ireto lehilahy rehetra sy teolojiana ireto, olona malaza, ahoana no namelan’izy ireo hanome ny fivoriana ho an’ny sakaiza anankiray tahaka izany? Eny, ilay lehilahy antitra tokony ho eo amin’ny polipitra tamin’izany, nipetraka teo.” 8 Izy ireo dia nitory tamin’io andro io ny amin’izay nataon’i Jesosy teto an-tany. Ary, fa tonga izy, naka ny lahateniny, mino aho fa ilay izy dia tao amin’ny Joba…:7, 20, tsy dia tena azoko antoka loatra hoe izay ilay Soratra. Na izany aza, dia izao ilay teny nalaina, na ampahany amin’ilay izy, “Taiza ianao fony Aho nametraka ny fanorenana an’izao tontolo izao, raha niara-nihira ireo kintan’ny maraina, ary nihoby fifaliana ireo zanak’Andriamanitra?” Ary niresaka ny amin’izay niseho tany An-danitra izy, raha izy ireo kosa niresaka ny amin’izay niseho tety an-tany. 9 Ary tamin’izany, teo amin’ny dimy minitra taorian’ny niresahany, izy, nikasika azy ny Fanahin’ny Tompo, ary nitsambikina teo amin’ny tany izy ka nampifandondona ny ombelahin-tongony. Oadray, nisy efitrano maro teo, nisy saiky ny antsasak’ity lampihazo ity; ary nandeha namindra teo izy, nanao hoe, “Tsy manana efitrano ampy ho ahy hitoriako teny fotsiny ianareo eto.” 10 Eny, teo amin’ny roapolo taona teo aho tamin’izany. Nieritreritra aho hoe, “Raha—raha izany no hanao an’izany ho an’io lehilahy antitra io, dia inona no hataon’izany ho ahy?” Koa hitanareo? 11 Mba ho fihazonana ny zavatra rehetra ho filaminana fotsiny ho an’ireo rahalahintsika vaovao, fa miarahaba azy ireo tonga soa ao amin’ny firaisantsika isika. Hitako, mino aho fa nilaza fohy ny amin’ny pretra mipetraka eto izy ireo, heveriko; mazava ho azy, amin’ny maha-Irlandais, dia Katolika ny havako. Ary nisy vitsivitsy ihany koa, Batista sy samy hafa. Mety nisavorovoro kely ihany ianareo, fotoana fohy. Voamariko fa tsy nisy tamin’ireo rahalahy niteny momba an’izany, saingy noheveriko fa hiezaka aho ny hanazava. Rehefa Rahalahy Shakarian…Rehefa feno

FAMORIAN-DRANO MITRIATRIATRA

3

hafaliana ilay mpiteny nahafinaritra teto, ny amin’ny fahafantarana fa ny Fihavian’ny Tompo dia tena antomotra, izy—izy dia niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra, tamintsika. Ary manana mpandika teny isika izay manome ny fandikana. Izay, hoy ny Soratra hoe, “Raha tsy misy mpandika teny, dia aoka izy ireo hangina tsara.” Fa raha—raha miteny amin’ny teny tsy fantatra izy ireo ka mandika an’izany, dia lasa faminaniana izany. Noho izany ilay fifanjevoana kely tamin’ny—tamin’ny roa tamin’izy ireo indray andro. Ankehitriny, tsy fampifanjevoana kely ilay izy, hitanareo; satria, ny iray tamin’izy ireo dia nanome ny fandikana, ny iray hafa naminany. Hitanareo? Koa izany dia… 12 Nihevitra aho fa hamela ny rahalahintsika hahalala aho, raha tsy nahalala izy ireo, satria ny iray tamin’izy ireo dia nanome marina…Voamarikareo ve ilay fotoana voafetra ho an’ny tsirairay? Ary ilay anankiray dia feno loatra fotsiny, ny tenany, ka naminany teo amin’ilay anankiray ny Fanahin’Andriamanitra; nandika teny, ilay iray hafa nanome ny fandikana. Noho izany dia tokony hazava ilay izy, fa ianareo…isika tsy…Indraindray, amin’ilay fisainana natoraly…Tahaka ny rahalahintsika sarobidy fotsiny izay nanolotra ny fifonany aninkeo maraina. Fampifanjevoana kely ilay izy ho an’ilay olona izay tsy mahalala. Fa ho an’ireo izay ato kosa, ireo mpiady tranainy izay ato, eny, mahalala an’izany isika, hoe inona ireo zavatra ireo. Koa nihevitra fotsiny aho fa nilaza zavatra mikasika an’izany, raha marina ilay izy. 13 Ankehitriny, izaho—izaho dia mahafantatra fa tsy toerana hilazana an’izany ity. Saingy nisy ny olona izay niteny zavatra kely, izaho…Fantatrareo, io sakaiza io nilaza, ilay lehilahy mainty hoditra io nanao hoe, “tsy manana efitrano ampy ho ahy hitoriako teny ianareo.” Ianareo kosa tsy hanana fotoana ampy ho ahy hitoriako teny. [Nitehaka ny fiangonana—Mpand.] Lava resaka ny marina kokoa. 14 Lehilahy anankiray no nilaza indray andro, nanao hoe, “Niakatra ny mpitoriteny anankiray, efa pastora iray tao amin’ny fiangonana izy nandritry ny roapolo taona. Ary telopolo minitra ihany foana no nitoriany teny isaky ny Alahady maraina ao amin’ny fiangonany.” Ary hoy izy hoe, “Io Alahady maraina io, dia adiny telo no nitoriany teny.” 15 Ary dia niantso azy ny komitin’ny diakona, ka nanao hoe, “Pasitere, tena mankasitraka anao tokoa izahay.” Hoy izy, “Izahay dia mahafantatra foana fa—fa ianao dia maneho ny Baiboly sy ireo Mariny.” Ary hoy izy avy eo, “Ary manitsy anay foana ianao mba hahatonga anay hahatsapa ho madio sy mangarangarana eo anatrehan’Andriamanitra. Ary mankasitraka anao tokoa izahay, ary izahay dia mino fa mpanompon’Andriamanitra ianao. Ary tena nankasitrahanay tokoa ilay hafatra aninkeo maraina. Saingy,” hoy izy, “misy

4

NY TENY VOAMBARA

zavatra anankiray fotsiny mba tianay hanontaniana anao mikasika azy.” Hoy izy, “Nanisa ny oranao izahay, amin’ny maha-komitin’ny diakona.” Hoy izy, “Isaky ny Alahady maraina dia telopolo minitra marina ianao no eo, fa androany dia adiny telo ianao no teo.” Hoy izy, “Ankehitriny, tsarovy, fa tena nankasitrahanay ny kely indrindra tamin’ilay izy. Tena tsara ilay izy.” Mba hanao an’ilay sakaiza hahazo aina tsara, fantatrareo. 16 Hoy izy hoe, “Eny, rahalahy, ho lazaiko anareo hoe ahoana ilay izy.” Hoy izy, “Isaky ny maraina rehefa mandeha aho…Antsoina ho eny amin’ny polipitra aho,” hoy izy, “Asiako an’ireny Life Savers [Karazana vatomamy—Mpand.] kely ireny ao am-bavako,” hoy izy hoe, “ka tsentsafiko fotsiny ilay izy.” Ary hoy izy, “Rehefa lany ilay Life Saver,” hoy izy, “telopolo minitra ihany no haharetan’izany,” ary hoy izy, “avy eo dia faranako ny toriteny.” Hoy izy hoe, “Fantatrao, aninkeo maraina, dia noheveriko fa nahazo ora fanampiny aho. Narorako ilay izy, bokotra anankiray no tato am-bavako.” [Nihomehy ny fiangonana—Mpand.] 17 Tsy hametraka na inona na inona ato aho, koa manantena isika fa tsy manana bokotra ao anatin’ny paosintsika. Saingy isika dia…Antenaiko fa tsy dia toy ny fanimbazimbana izany eto. Saingy izaho fotsiny…Fantatrareo, na dia Andriamanitra aza dia manana toetra mampihomehy, fantatrareo. 18 Noho izany dia tena mankasitraka tokoa isika raha tonga eto ary manana an’ity fotoan’ny firaisana ity, ary—ary miaraka amin’izao tombontsoa lehibe izao mba hamaky ny Mofon’Aina indray mandeha indray, amin’ilay fombako tsotra kely. Fantatro, amin’ny maha-teolojiana, araka ny notenenin’ilay lehilahy teto omaly hariva avy any Angletera; oadray, halako ny mitsangana aorian’ny olona tahaka an’izany, miaraka amin’ny fahaizan’ny kilasy fahafitoko. Saingy manantena aho fa Andriamanitra no handika aminareo ny dikany ato am-poko. Hitanareo? Raha tsy marina ireo teniko; ireo fikasako, izaho—izaho dia mahatoky, fa marina. 19 Ankehitriny ndao isika hamaky ao amin’ny Soratra. Maro aminareo no tia manaraka. Ary hamaky aho izao maraina izao, mandritry ny fotoana fohy, avy ao amin’ny Bokin’i Jeremia, ilay mpaminany, ny toko faha-2, ary hanomboka aho ankehitriny amin’ny andininy 1. Ary tonga teo amiko ny tenin’ny TOMPO, nanao hoe, Mandehàna ka miantsoa eo anatrehan’i Jerosalema, hoe, Izao no lazain’ny TOMPO; mahatsiaro anao Aho, ny fahatsoran’ny hatanoranao, ary ny fitiavanao fony nampakarina, raha nanaraka ahy ianao tany an-efitra, ary tany amin’ny tany izay tsy mbola namafazana.

FAMORIAN-DRANO MITRIATRIATRA

5

Masina ho an’ny TOMPO i Isiraely, ary ny voaloham-bokatra ao amin’ny fitomboany: izay rehetra nihinana azy dia…sy manafintohina; loza no hanjo azy ireny, hoy ny TOMPO. Mihainoa ny tenin’ny TOMPO, O ry taranak’i Jakoba, sy ny ankohonana rehetra amin’ny taranak’i Isiraely: Izao no lazain’ny TOMPO, Inona no ratsy hitan’ireo razanareo tamiko, no dia nandeha nanalavitra ahy izy ireo, ary nanaraka zava-poana, ka dia tonga zava-poana? Tsy nanao mihitsy izy ireo hoe, Aiza ny TOMPO izay nitondra antsika niakatra avy tany amin’ny tany Egypta, sady nitarika antsika tany an-efitra, tamin’ilay tanin’ny foana sy ny lavaka, tamin’ilay tanin’ny karankaina, sy an’ny aloky ny fahafatesana, tamin’ilay tany izay tsy mba nalehan’ny olona, sy…nonenan’olona? Ary nitondra anareo niditra ho any amin’ny tany mahavokatra aho, mba hihinanana ny voa sy ny zavatra tsara eo aminy; fa rehefa niditra ianareo, dia nolotoinareo, ny taniko, ary nanao ny lovako ho fahavetavetana. Ary ireo mpisorona tsy nanao hoe, Aiza ny TOMPO? Ary ny mpiadidy ny lalàna tsy nahalala ahy: ary ny mpiandry koa nanota tamiko, ary ny mpaminany naminany tamin’i Bala, ka nanaraka ny zavatra izay tsy nahasoa. Noho izany aho dia…hifandahatra aminareo, hoy ny TOMPO, amin’ireo zanaky ny zanakareo no hifandaharako. Fa…any ampitan’ity tanin’i Kitima ity, dia jereo; ary ao amin’i Kedara, ka diniho am-pitandremana izany, ary jereo raha mba misy zavatra toy izao. Efa nisy firenena nanova ny andriamaniny ve, izay…tsy andriamanitra akory? Fa ny oloko dia nanova ny voninahiny tamin’izay tsy nahasoa. Talanjona, O ianao ry lanitra, amin’izany, ary matahora mafy,…tena mangorohoroa, hoy ny TOMPO. Fa zava-dratsy anankiroa no nataon’ny oloko; nahafoy ahy loharanon’ny ranovelona izy ireo, ka dia nihady famorian-drano, famorian-drano mitriatriatra, izay tsy mahatan-drano. 20 Ny Tompo anie hanampy ny Fitahiany amin’ny famakiana ny Teniny. Ary izaho te—te haka lahatsoratra anankiray avy amin’izany, toy ny, Famorian-drano Mitriatriatra. 21 Rehefa, teo am-pamakiana an’ity Soratra ity aninkeo maraina; izay, ny Soratra rehetra dia nomena avy tamin’ny

6

NY TENY VOAMBARA

tsindrimandry. Ary tonga ato an-Tranon’ny Tompo isika ho an’ny fanitsiana sy ho an’ny fahafantarana. Ary indraindray dia mahita isika ny…zavatra kely eny an-dàlana eny. 22 Tahaka an’ity lehilahy miaramila ity, vao tsy ela akory, izay niresaka tamintsika sy nilaza an’ireo zavatra maromaro, fa angamba mety any amin’ny firenena anankiray any dia misy balafomanga anankiray, na—na zavatra momba an’izany hevitra izany, ary isika dia mitady hahita zavatra hanoherana an’izany ao—ao amin’ny paik’ady ara-miaramila. Eny, tonga ao amin’ny fiangonana ny zavatra toy izany, ao amin’ny paroasy izay misy lehilahy anankiray mitory teny, na raha evanjelista anankiray eny amin’ny saha izy. Rehefa mahita fikomiana izy, ary zavatra vao manomboka fotsiny, mandeha, ny fahazazany na inona na inona ilay izy; dia io lehilahy io, raha mpanompon’Andriamanitra izy, no misakana an’io zavatra io lavitra ny fisainan’ny olona mba hitsoaka an’io izy ireo. Ary tsy tiantsika izany hiseho, ho antsika mba hiditra amin’ireo toerana tahaka izany. 23

Ankehitriny, nandritry ny andron’i Jeremia eto, ny faminaniany, teo amin’ny enimpolo taona teo izany hatramin’ny nahafatesan’i—i Isaia—Isaia. Ary nanana enimpolo teo izy ireo izay tsy nisy mpaminany lehibe. Nisy an’i Habakoka sy mpaminany madinika kely vitsivitsy, fa i Isaia no mpaminany lehibe farany. Ary ny olona dia tsy nanana, nandritr’io fotoana io, tsy nanana an’izay mba hiantso azy. Nanara-driandrano izy ireo. Kanefa, olon’Andriamanitra izy ireo, nanara-driandrano tao amin’io firenena ankehitriny izay—izay ahitantsika azy ireo io ao, ka tonga i Jeremia naminany ho azy ireo. Ary Jeremia koa dia…Naminany izy talohan’ilay sesitany, ary lasa tany amin’ny sesitany koa izy niaraka tamin’izy ireo. 24

Ary avy eo, mazava ho azy, fa tonga i Daniela taorian’i Jeremia. Ary Daniela dia nilaza fa nahazo ny fahafantarana izy, tamin’ny alàlan’ny Soratra, ny amin’ny fitopolo taona izay tsy maintsy hijanonan’izy ireo any. 25

Mazava ho azy, nisy mpaminany hafa anankiray teo amin’izy ireo, izay te-hanao an’ilay zioga, raha nametraka an’ilay izy teo ambonin’ny vozony izy, mety ho zavatra kely izany, hoe, “Ao anatin’ny roa taona, eny, dia hitondra azy ireo hiverina Andriamanitra,” saingy hafa noho izany kosa no fantatr’i Jeremia. Ary fantatsika izay niseho tamin’ilay mpaminany izay naminany diso, maty tamin’io taona io ihany izy. Koa tsy navelan’Andriamanitra haharitra izy. 26

Ary ankehitriny dia mahamarika koa isika ireo toetran’ny olona tamin’izany andro izany. Ankehitriny tsy maniry anareo tsy hahazo ahy aho (Izaho—izaho tsy mikasa) amin’izay kasaiko ho lazaina eto, Soratra vitsivitsy sy naoty kely. 27

FAMORIAN-DRANO MITRIATRIATRA

7

Taloha aho tsy—tsy nila ny Soratro sy ny sisa. Saingy taorian’ny nandalovako ny faharoan’ny dimy ambin’ny roapolo, eny, izaho—izaho dia tsy mahatadidy tahaka ahy taloha, koa soratako eto ny Soratra sy karazana fahafantarana, avy amin’izany, hoe aiza no alehako. Ary avy eo dia fotoana betsaka hivavahana ho an’ny marary, sy ny sisa, ary mivoaka dia lasa, tsy manam-potoana tena hianarana tahaka ny nataoko aho. 29 Ankehitriny, saingy ity mpaminany malaza tamin’ity andro ity, dia Jeremia, ary izy dia zavatra tahatahaka an’i Amosa sy ny maro amin’ireo mpaminany hafa izay nitsangana. Nihetsika izy rehefa nahita ny toetry ny firenena. Ankehitriny dia nisy ireo toerana… 30 Indray andro rehefa miresaka ny amin’ny firenena anankiray ianareo, mety hampieritreritra izany fa manome taratra ny—ny vondrona anankiray ilay izy. Tsy izany ilay izy. Sary ankapobeny an’ilay firenena izany. Ary mahita isika, ankehitriny, ny—ny tena toetra fampitahana ny ankehitriny tahaka ny tamin’ny andron’i Jeremia, fa ilay firenena izy tenany, izy rehetra, dia lasa, maro na vitsy, fanompoan-tsampy; karazany, ho lazaiko hoe, niala tamin’Andriamanitra. Ary eo am-panaovana an’izany, dia lasa fahalemen’ilay polipitra ilay izy. Satria, raha nijanona nahitsy ilay polipitra, ka niaraka tamin’ilay Tenin’Andriamanitra, dia ho any anatin’ny fiangonana rehetra Andriamanitra tahaka Azy mihetsika eto anivontsika. Saingy notarihina niala tamin’izany izy ireo. Ary izany no zavatra izay tiako—tiako resahina izao maraina izao. Ary ankehitriny dia hitantsika fa tena marina tanteraka izany ao amin’ny taona rehetra. 31 Mino aho fa Amosa izany, raha niresaka ny aminy aho vao tsy ela, fa nilaza izy fa izy dia “tsy mpaminany, sady tsy zanaky ny mpaminany.” Saingy hoy izy, fa, “Raha mierona ny liona, iza no tsy hatahotra?” 32 Fa raha nisy olona efa nandre ny tena fieron’ny liona tany an-efitra, ireo izay henonareo ao anaty trano eto ireo dia fimeon-tsaka fotsiny. Fa raha misy anankiray mierona any an-efitra any, ny zavatra rehetra dia handray fitandremana. Natory tany anaty ala mikirindro aho, mba hihaza azy ireny. Ary izy no mpanjakan’ny bibi-dia, ary, rehefa mierona ilay liona, na dia ny voangory aza mitsahatra tsy maneno intsony, ny rehetra mijanona. Ny—ny jakala sy ny—sy ny alikadia mivovo, ary ny biby hafa, ary ny fikiakiakan’ny babakoto sy ny rajako, ny voangory, tsy vitanareo ny handre ny fisainanareo manokana; saingy any lavitra any avelao hierona ny liona anankiray, dia hitsahatra tsy haneno ny voangory rehetra. Hitanareo, ny zavatra rehetra dia matahotra azy. Kanefa, betsaka ny zavatra afaka mamono azy, nefa izy dia nekena ho mpanjaka eo amin’ny bibi-dia. 28

8

NY TENY VOAMBARA

Hoy izy hoe, “Raha mierona ny liona, iza no tsy hatahotra?” Hoy izy hoe, “Koa raha Andriamanitra no miteny, iza no tsy haminany?” 34 Ary izany, heveriko, no toetra mihaona amin’io fihaikana io indray ankehitriny. Niteny Andriamanitra. Hitanareo? Ary hitantsika ilay sora-tànana teo amin’ny rindrina, koa mora ny maminany sy mahita fa ao amin’ny andro farany isika. 35 Ary mahita an’Andriamanitra isika, avy tany amin’ny fizarazaran’ny anaram-piangonana tsirairay, hatramin’ny farany avy tamin’ny Katolisisma, nankao amin’ny fiangonana protestanta rehetra, Bouddah sy inona koa, avy any Inde, ary inona ihany koa. Miantso ny Olony miaraka Izy, manangona azy ireo miaraka. Ary izaho dia—izaho dia tena faly amin’izany, mahita an’ity andro ity tonga. Ankehitriny isika…Izany dia—izany dia andro lehibe, iray amin’ireo tombontsoa lehibe indrindra. 36 Fa, raha izaho tsy maintsy, raha nahafantatra aho fa talohan’ny nisian’izao tontolo izao anankiray, raha mbola fanahy ampahan’Andriamanitra isika, fa izany isika, satria tao Aminy isika talohan’ny fanorenana an’izao tontolo izao. Satria, tokana ihany ny endriky ny Fiainana Mandrakizay, ary Andriamanitra izany. Ary isika dia Ampahany. Isika dia tsy tena arak’izay fantatsika sy—sy niheverantsika azy, ary nanana fisiana; fa isika dia tao amin’ny Fisainany tamin’izay naha-izy antsika, talohan’ny fanorenana an’izao tontolo izao. Satria, Ampahany isika, tahaka ny zanakolahy dia ampahako, ary izaho dia ampahan’ny raiko, sy ny sisa. Isika dia zanakalahy sy zanakavavin’Andriamanitra, tamin’ny alàlan’ny Fahalalany mialoha. 37 Ary tamin’izany, raha afaka nahafantatra aho tahaka ny ahafantarako ankehitriny, ka afaka nandinika tsara ny elanelam-potoana rehetra, ary nilaza tamiko Izy hoe, “Inona ny fotoana tianao hiainana?” Nilaza aho fa izao fotoana izao mihitsy, tena ilay harivan’ny—ny famaranana ny tantaran’izao tontolo izao, sy ny fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra ho voaorina eto an-tany. Heveriko fa io no fotoana lehibe indrindra amin’ny taona rehetra, dia izao ankehitriny izao. 38 Mahita isika eto fa ampangain’ilay mpaminany ny Isiraely, rehefa nanendry azy Andriamanitra ka naniraka azy, voampanga amin’ny fahotana lehibe anankiroa izy ireo. Ary tiantsika ny hiresaka an’ireo zavatra anankiroa ireo izay nataon’izy ireo. Ary, avy amin’izany, te-handroso avy amin’izany isika. Ankehitriny, nihodina tamin’Andriamanitra izy ireo, ilay Loharanon’ny rano velona, ary nihady famorian-drano ho an’ny tenany. Nihodina tamin’ny zavatra izay nomen’Andriamanitra azy izy ireo, ary nihady zavatra ho an’ny tenany izay nataon’ny tenan’izy ireo ihany. Ary ireo famorian-drano ireo, marihonareo, izy dia, izy ireo dia mitriatriatra ary mitete izy ireo. 33

FAMORIAN-DRANO MITRIATRIATRA

9

Ankehitriny, ny famorian-drano mitriatriatra anankiray dia tsy mahatan-drano. Hitete izy io. Notezaina tao amin’ny trano fiompiana anankiray aho, ary fantatro hoe inona izany famorian-drano tranainy izany, ary ny fahasarotana azonay taminy. 40 Ary io famorian-drano mitete io dia sary—sary tsara anankiray, heveriko, an’izao andro izao, fa rehefa ny zavatra rehetra (antsika) izay ezahantsika atao, maka ny lehilahy hitambatra, maka ny olona hitambatra, maka ny fiangonana hitambatra, izany dia lasa ao anatin’ilay sokajin’ny fifehezana ara-tsaina foana. Niezaka isika nanao an’ireo Metodista ho lasa Batista, sy ny mifamadika, ary anaram-piangonana samihafa. Ary tsy izany no fandaharan’Andriamanitra, hatrany am-boalohany. 41 Andriamanitra irery no manana toerana fivoriana tokana. Nilaza Izy ato amin’ny Bokin’ny Eksodosy, fa, “Izaho no nifidy ny toerana hametrahana ny Anarako, ary izany no toerana tokana Hihaonako amin’ny olona.” Ary nifidy toerana hametrahana ny Anarany Izy. Ary izay Nametrahany ny Anarany, dia tany no Nihaonany tamin’ny Isiraely. Manana toerana izay Hihaonany amin’ny Fiangonany Izy ankehitriny, ary Izy no nifidy an’izany Anarana izany, ary izany Anarana izany dia Jesosy Kristy. Ary ao no Hihaonany amin’ilay tena mino, rehefa ao amin’i Jesosy Kristy izy. Izany no nofidian’Andriamanitra hametrahana ny Anarany. Hoy ianareo hoe, “Anaran’Andriamanitra?” 42 Hoy Izy hoe, “Izaho dia avy amin’ny Anaran’ny Raiko.” Koa izany no nametrahan’Andriamanitra ny Anarany, tao amin’i Kristy. Ary ao amin’i Kristy no ahafahantsika rehetra mihaona eo ambanin’ilay Rà nalatsaka, ary ao no hahazoantsika ny tena, firaisana marina. 43 Nanao ny Fandaharany Andriamanitra tamin’ny voalohany, tao amin’ny saha Edena, izay toerana Nihaonany tamin’ny olona, ary tsy eo ambonin’ny fahalalana ara-tsaina izany; raha izany, dia tena tao anatin’ilay laharana miaraka amin’ny Fandaharany marina tokoa i Eva. Saingy fantatsika ilay fanekeny ny hevitra ara-tsain’i Satana, “Azo antoka, tsy hanao an’izany Andriamanitra,” fa niteny Andriamanitra fa hanao Izy! Ary noho izany dia nifidy ny toeram-panavotana Izy, ary tamin’ny alàlan’ny Rà izany, fa tsy amin’ny alàlan’ny hevitra ara-tsaina. 44 Koa mikapo-drivotra fotsiny isika, saingy efa natioran’olombelona fotsiny fa—fa ny olona dia hiezaka ny—ny hanao izany. Raha manana fotoana isika, dia afaka hamakivaky an’ilay izy amin’ny antsipiriany isika, saingy tsy tiako ilay bokotra. Koa hiezaka fotsiny isika hanao an’ilay izy ho tsotra arak’izay azo atao, “famorian-drano mitete.” 39

10

NY TENY VOAMBARA

Ary hitantsika fa izany—izany indray no tena mitranga, tena ny sarin’ny taonantsika izay iainantsika ilay izy, an’ireo fiezahantsika rehetra. 45 Ary tsy manamavo ny ezaka rehetra ataon’ny mpanompon’Andriamanitra tsirairay, izay manonona mihitsy ny Anaran’i Jesosy Kristy. Tokony homena voninahitra Izy na dia amin’ny fanononana ny Anarany amin’ny fanajana sy fankatoavana fotsiny aza. Ary ny rafitra ara-pilazantsara izay mitety ny tany, sy ny sisa, amin’izao andro farany izao, heveriko, dia tsy mbola hahavita mihitsy isika ny hanao ny olona ao amin’ny fo iray mandra-panaontsika azy ireo ho eo ambanin’ny Ràn’i Jesosy Kristy. Izany no toerana tokana izay hahatonga antsika ho tena voaaro. 46 Nisy olona niantso ahy vao tsy ela izay, avy any Atsinanana, ka nanao hoe, “Rahalahy Branham, nandre aho fa ianao dia nifindra any—any Arizona, ary ianao nanao to—toerana any izay misy fiarovana.” Ary araka ny fantatrareo hoe ahoana no nahatongavan’ny Hafatra, fa ny Tompo no niteny tamiko izay hiseho tany Alaska, ary ahoana no hahatonga azy io hatrany California, ary dia izany fomba izany fotsiny ilay izy. Hoy izy ireo hoe, “Ankehitriny raha vao mihetsika izany, sy ny zavatra rehetra, dia aiza no faritra misy fiarovana?” 47 Hoy aho hoe, “Faritra misy fiarovana tokana ihany no fantatro. Ao amin’i Kristy izany. Fa izay rehetra ao amin’i Kristy, dia ho…” Io ihany no tokana fantatro. 48 Ankehitriny Jeremia dia nantsoina, ihany koa hoe, “ilay mpaminany mpitomany.” Ary satria, mino aho, fa izay nanao an’io mpaminany io hitomany—hitomany, raha ny marina, dia amin’ny maha-mpaminany azy (ary ny Tenin’ny Tompo dia tonga amin’ny toy izany) sy nahita ny olona nanaraka ny fanaon-drazany, ka nihevitra fa mety tsara izy ireo, ary tsy nisy fomba mihitsy hamerenana azy ireo. 49 Fa, lasa avy hatrany tany amin’ny sesitany izy ireo, satria fantatsika fa izay afafinareo no hojinjainareo, tsy misy fiheverana hoe iza ianareo, inona ianareo. Ary isika amin’ny maha-firenena anankiray dia nijinja…na namafy, raha ny marina, ary hijinja isika. Hiresaka aho rahampitso, raha sitraky ny Tompo, ny tolakandro, ny amin’ny Faharariam-piterahana; ary izaho—ary izaho mikasika an’izany ato, fa tsy afaka hiala amin’inona na inona isika. Hijinja an’izay nafafintsika isika. 50 Ary raha hamela antsika ho afaka miala amin’ny famadihantsika ny Kristianisma ankehitriny Andriamanitra, ary mamadika ny olona ao anatin’ireo zavatra izay nantsoina hoe Kristianisma, tahaka ny nolazain’i Rahalahy Moore indray mandeha hoe, “Ho voatery ara-moraly Izy hanangana an’i

FAMORIAN-DRANO MITRIATRIATRA

11

Sodoma sy Gomora, ary hiala tsiny ny amin’ny nandorana azy ireo.” Marina izany, satria marina hatrany Andriamanitra. Ary aiza no misy ny tsy fahamarinana; izany dia—izany dia ho tonga eo amin’ny Fahamasinany sy ny Teniny fa Izy no manao ny olona hijinja an’izay nafafiny, ary tsy maintsy hanao an’izany isika. 51 Ankehitriny mariho fa nahafoy Azy izy ireo, ilay Loharanon’ny rano velona, ary nihady famorian-drano ho an’ny tenany. 52 Ankehitriny mety misy angamba eto olona izay tsy mahalala hoe inona izany famorian-drano. Ny famorian-drano dia fitoeran-drano nataon’olombelona izay niezaka naka ny toeran’ny fantsakana. Zavatra anankiray izay nangadian’olona izany. Ary firy no mahafantatra hoe inona ny famorian-drano? Tsara. Eny àry, betsaka ny olona tambanivohitra eto izao maraina izao. Koa izy ireo…Tsaroako ny famorian-drano tranainy anankiray tao amin’ilay toerana, toy ny ahoana izy, ary natahotra foana aho ny misotro avy amin’ilay zavatra. Izy io dia fi—fitoeran-drano nataon’olombelona anankiray. Ary tsy afaka iankinana mihitsy izy io. Tsy afaka miankina amin’ny famorian-drano anankiray ianareo. 53 Ankehitriny ny zavatra rehetra izay ataon’ny olona dia mazàna tsy tena tsara. Saingy tena tahaka ny—ny Tompo nametraka fotoana ao—ao—ao amin’ny fihodinany, sy ny tany mihodina; isan-taona, isam-potoana dia mifanapaka izany, isan’andro, isan’ora, ary ny masoandro milentika, tsy diso mihitsy izany. Fa ny famantaranandro tena tsara indrindra izay mety ananantsika, dia ho diso minitra maro ao anatin’ny volana anankiray, tsy isalasalana. Saingy, hitanareo, izay rehetra ataon’Andriamanitra dia tanteraka, ary izay ataon’olombelona dia tsy tanteraka. Koa nahoana no manaiky izay ataon’olombelona, nefa afaka ny hanana ny tanteraka ianareo? 54 Milaza an’izany foana aho mikasika antsika olona Pentekotista. Hitanareo, fantatsika, ary isika tsy—isika tsy any ivelan’ilay lamin’ny fandrosoana, an’Andriamanitra, tsy mino isika; saingy isika koa anefa dia mahafantatra fa eo anivontsika dia misy olana izay miezaka maka tahaka an’ilay sakaiza anankiray. Ny olombelona fotsiny izany. Hiezaka izy ireo hanao an’izany. Nanao an’izany izy ireo ao amin’ny Baiboly, “Ny anankiray, ‘Izaho an’i Paoly,’ ‘Izaho an’i Silasy,’” sy ny sisa. Saingy, izy ireo, izy ireo dia niezaka naka tahaka izay nataon’ny hafa na izay ataony. 55 Fa nahoana ianareo no hanaiky fangalahan-tahaka sandoka, nefa ny lanitra dia feno zavatra tena marina, rehefa “ny teny fikàsana dia ho anareo sy an’ny zanakareo”? Nahoana isika no hanaiky zavatra izay samihafa? Nahoana isika no haka fanekem-pinoana na dogma, nefa ny Baiboly dia ny

12

NY TENY VOAMBARA

Tenin’Andriamanitra tsy nampifangaroana? Nahoana isika no hiezaka hanampy na hanaisotra, nefa ny Tompo Jesosy no nilaza ao amin’ny Apokalypsy 22:18 hoe, “Izay hanaisotra Teny anankiray amin’Ity, na manampy teny anankiray amin’Ity, dia ho esorina ao amin’ny Bokin’ny Fiainana ny anjarany”? 56 Rehefa nametraka voalohany ny taranak’olombelona teto an-tany Andriamanitra, dia niteny tamin’izy ireo Izy fa ny Teniny no hivelomany. Ankehitriny ny Tenin’Andriamanitra dia toy ny rojo anankiray, ary mandalo miampita ny helo amin’Izany ianareo; ary ny rojony no hany fahatsarany indrindra amin’ny fitohizany malemy indrindra, ary tian’Andriamanitra isika hihazona ny Teny tsirairay an’Ity. Ankehitriny izany no voalohany ao amin’ny Baiboly; manapaka Teny anankiray fotsiny, no nandentika ny taranak’olombelona tao anatin’ny aizin’ny fahafatesana. 57 Tonga tao afovoan’ny Baiboly Jesosy, ary nilaza Izy fa, “Tsy ny mofo ihany no hiveloman’ny olona, fa ny Teny rehetra.” Tsy ampahan’ny Teny fotsiny, na ny sivy amby folo isan-jato; fa ny Teny rehetra, tahaka an’i Eva sy Adama fotsiny. 58 Ary any amin’ny faran’ny Baiboly, Apokalypsy 22:18, nilaza Izy fa, “Izay manaisotra Teny anankiray ao amin’Ity, na izay manampy Teny anankiray amin’Ity!” 59 Koa nahoana isika no mila manatsofoka Ato an’ireo fiheveran’olona zavatra, nefa ity no Fiheveran’Andriamanitra Manokana mikasika an’ilay izy? Tiantsika ny handray izay Nolazainy. Ary izao koa no voasoratra hoe, “Aoka ny tenin’ny olona rehetra ho lainga, ary ny Ahy ho Fahamarinana.” 60 Izany no olana tamin’ity mpaminany ity. Tamin’ny andron’i Jeremia, mpaminany iray izy, nanana ny Tenin’ny Tompo izy. Ary io sakaiza io dia niezaka ny hanatsofoka zavatra tao amin’Izany, ankehitriny tsy azo iankinana ilay izy. Ary mampitovy an’ireto fitoeran-drano ireto aho ankehitriny amin’ireto rafitra izay ezahantsika raisina, ka maka ny toeran’ny Tenin’Andriamanitra tany am-piandohana. 61 Fa, tsy misy na inona na inona afaka maka ny Toerany. Andriamanitra Izany. “Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin’ Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra. Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika.” Ary Hebreo 13:8, manao hoe, “Izy no tsy miova omaly, anio, ary mandrakizay.” Ahoana no hahafahantsika mikosoka avy amin’Izany? Tsy maintsy ny Fahamarinana izany. Mitoetra tsy miova Izy. Tsy miova Izy amin’ny fitsipika rehetra. 62 Izany no antony ifalianareo amin’Ity, ianareo Batista sy Metodista, sy Katolika ary Presbyterana, sy ny sisa, mifaly amin’ilay Fanatrehana. Indray andro, tao aminareo, dia nanaiky an’Andriamanitra ianareo.

FAMORIAN-DRANO MITRIATRIATRA

13

Angamba indray mandeha tao amin’ny fomba ara-tsaina, angamba nahatsapa ny Herin’Andriamanitra ianareo, ary mpanompon’Andriamanitra anankiray ianareo; saingy rehefa tena afaka miditra ao amin’Andriamanitra ianareo, ary mahalala ny toeranareo ao Aminy, amin’ny maha-zanakalahy na zanakavavin’Andriamanitra, dia izany no mitondra an’ilay fientanentanana lehibe ho anareo, izay kasain’Andriamanitra ho azonareo. 63 Ankehitriny dia mahamarika isika ao amin’ny Masindahy Marka, ny toko faha-16, Jesosy tsy nanao hoe, “Mandehàna ianareo any amin’izao tontolo izao, ary—ary—ary mampianara.” Hoy Izy hoe, “Mandehàna torio ny Filazantsara.” Torio ny Filazantsara, dia, manehoa ny Herin’ny Fanahy Masina! “Mandehàna ianareo any amin’izao tontolo izao, ka manehoa ny Herin’ny Fanahy Masina.” 64 Niresaka tamin’ny rahalahy anankiray, iray amin’ireo mpanohana eo amin’ny…ny fivoriako tany Inde, tany Bombay tany, hatrany Afrika Atsimo ary toerana samihafa, izay nampianaran’ireo misionera an’Ity ho tahaka ny teny anankiray na fiheverana ara-tsaina anankiray. Saingy indray andro tao amin’ny fivoriana, rehefa nidina ny Fanahy Masina, Izy Tenany, ka namonjy mponina an’ala telo alina tamin’ny antso anankiray teny amin’ny alitara, ary tena teo amin’ilay tany izay nitsanganan’izy ireo ihany. Ireo vehivavy nitsangana teo, izay tena nitanjaka tahaka ny nahatongavan’izy ireo tety an-tany, ary ny minitra izay nananganan’izy ireo ny tànany handray an’i Kristy… 65 Ary nilatsaka teo ambonin’ilay toerana ny Fanahy Masina ka nanasitrana olona dimy arivo sy roa alina tamin’ny fotoana iray, niala tamin’ny seza misy kodiarana, fandriana sy filanjana. Ilay ben’ny tanàna nihaona tamiko, ny ampitso, nijery an’ireo fiara feno entana nandeha teny an-dàlambe. 66 Ireo vehivavy nitsangana teo ireo, nitanjaka, tsy nahalala akory hoe nitanjaka izy ireo. Fa vantany vao nikasika azy ireo ny Fanahy Masina, dia navalon’izy ireo ny sandriny nandeha niala teo amin’ny fanatrehan’ireo lehilahiny. 67 Ary manontany tena aho hoe ahoana fa isika eto Amerika no miantso ny tenantsika ho firenena Kristiana iray, ary eo amin’ny Fanatrehan’Andriamanitra; ary isan-taona isika, ireo vehivavintsika, dia manala betsaka. Nefa ianareo tokony hametraka betsaka. Ary betsaka ny amin’i Kristy no apetrakareo, ny fahalalana betsaka ny haha-izy anareo avy amin’ny toetranareo manokana. Indraindray aho mahita ny fomba fanaon’ny olona eny an-dàlambe, manontany tena aho raha izao marina no tena fisainana mahitsy. Toa tahaka ny tsy fantatr’izy ireo fa rehefa manao an’izany izy ireo, izay ataon’izy ireo, dia manao ny tenany ho jono anankiray ho

14

NY TENY VOAMBARA

an’ny devoly izy ireo, ary mandefa fanahy any amin’ny helo. Marina izany. Fa izao tontolo izao dia ao anatin’ny fahalovana tahaka azy tamin’ny andron’i Jeremia. 68 Ankehitriny miverina amin’ilay famorian-drano. Ankehitriny, io famorian-drano io dia tsy azo ianteherana satria tsy afaka mameno ny tenany. Ary izy dia miankina amin’ny orana eo an-toerana hameno azy, ny orana eo an-toerana na ny fifohazana eo an-toerana, mba hahazo fifohazana kely eto sy fifohazana kely ery, na ny sisa, mba hahatonga azy ho feno. Noho izany dia tsy azo ianteherana izy io. Tsy afaka mameno ny tenany izy. Tsy fahampiana izy, amin’ny tenany. Tsy afaka manao an’izany izy. Ary izy dia tsy maintsy miankina amin’ny orana, mba hameno azy. 69 Koa ndao isika hanamarika hoe aiza izy—izy no maka ny orany, aiza izy no maka ny ranony, ilay famorian-drano. Avy amin’ny tampon’ny tranom-biby izany, trano heva, misy an’ireo loto rehetra izay tsofin’ny rivotra, manasa avy hatrany mankao amin’ilay orana izany, ary midina avy hatrany ao amin’ilay famorian-drano, fitoeran-drano nataon’olombelona. Lasa saiky mitovy amin’ny lavapiringa anankiray. Ary izany no manasa ny tampon’ilay tranom-biby izay misy ny biby rehetra, avy amin’ny fofon’ilay tokotanin’ilay tranom-biby, sy ny sisa, ary mijanona ao. Ary mitsoka ny rivotra ao amin’ilay—ilay vovoka sy ny sisa eo ambonin’ny tranom-biby, avy eo dia tonga ilay orana eo an-toerana ka manasa, ilay orana, avy hatrany. 70 Ary avy eo ilay rano dia tarihin’ny tavy anankiray nataon’olombelona amin’ny alàlan’ny fantsona anankiray nataon’olombelona, mankao amin’ny fitoeran-drano anankiray nataon’olombelona. Ary avy eo rehefa tonga ao izany, tena maloto izany, tena maloto loatra ka tokony mametraka vorodamba fitatavanana ianareo eo amboniny, raha tsy izany dia tsy ho azonareo sotroina izany. Ankehitriny, hitanareo, manasa avy eo amin’ny tafo izany, amin’ny alàlan’ny tavy nataon’olombelona, fantsona nataon’olombelona, mankao amin’ny fitoeran-drano nataon’olombelona. Ary avy eo izany miaraka amin’ny fitatavanana nataon’olombelona eny amin’ny tampony, mba hahitana fa ireo karazana bibikely sy ny sisa no voatana ao. 71 Ankehitriny, ankehitriny mahamarika isika, ao amin’ireo andro vitsy aorian’ny hitoeran’ilay rano ao, ao amin’io anaram-piangonana nataon’olombelona io, na fitoeran-drano. Azafady. Azafady. Eny àry. Aorian’ny—aorian’ny nahavoasasa azy io, ireo karazana teolojia rehetra sy ny sisa no nanasa azy tao anatiny; ankehitriny dia tonga isika mba hahita, rehefa tafajanona andro vitsivitsy eo io, dia lasa mihandrona izany. 72 Ary na iza na iza dia mahalala, ao amin’ny tantaran’ny fiangonana, rehefa nandefa zavatra anankiray

FAMORIAN-DRANO MITRIATRIATRA

15

Andriamanitra, hafatra anankiray, dia lasa vaovao avy amin’Andriamanitra izany, avy eo aorian’ny—ny fiainan’ilay mpamorona, (na mety ho inona izany; ianareo miantso azy hoe mpanavao, na izay tianareo ho lazaina mikasika an’izany), aorian’ny fahafatesany, dia manana rafitra anankiray mamolavola izy ireo ary manao rafi-piangonana anankiray. Ary vantany vao manao rafi-piangonana avy amin’izany izy ireo, dia maty eo no ho eo izany. Tsy mitsangana intsony izany. Izany no nataon’io nandritry ny fotoana rehetra, miverina, tena miverina tanteraka. 73 Eo am-panomezana fanajana an’io pretra Katolika mipetraka eto io; rehefa nandamina ny fiangonana Andriamanitra…na, tsy nandamina azy, Andriamanitra tsy nandamina fiangonana mihitsy. Tsy ao amin’izany karazana raharaha izany Izy. Ao amin’ny fahaterahana Izy, fa tsy rafi-pandaminana, koa rehefa nanomboka ny fiangonana Andriamanitra tamin’ny Andron’ny Pentekosta. Ary avy eo ny niafarany tao amin’ny Nise, Roma, dia nataony rafi-pandaminana izany, ary tao no nahavery ny Heriny. 74 Avy eo dia midina isika eo amin’ny fanavaozana Loterana, ary zavatra lehibe izany. Nomena ny Tenin’Andriamanitra, “Ny marina ho velona amin’ny finoana.” Ary rehefa nanao izy ireo, raha tokony nanohy, izy rehetra miaraka, ny rehetra amin’izy ireo miaraka ka namindra, dia nanao fiangonana Loterana anankiray izy ireo, nampisaraka ny tenany avy tao amin’io vondrona io, ary dia maty ilay izy. 75 Avy eo Andriamanitra nanangana an’i John Wesley, niaraka tamin’ny fanamasinana, ny hafatry ny asa faharoan’ny fahasoavana, ary tena zavatra nahafinaritra anankiray izany. Saingy taorian’i Wesley sy Asbury, dia nataon’izy ireo rafi-pandaminana izany, maty ilay izy. 76 Avy eo dia tonga ny Pentekotista niaraka tamin’ny fampodiana ny fanomezam-pahasoavana. Nanao tsara izy ireo, inona no nitranga? Natao rafi-pandaminana izany dia maty ilay izy. Tena izany. 77 Ankehitriny eo anivon’io rehetra io, dia mbola miantso ny sisa nanamborana anankiray Andriamanitra avy ao amin’ny tsirairay amin’ireo taranaka ireo. Tena miantso tokoa Izy. Ary izany no orantsika hivoahana, hiangonana miaraka. Ary izany no eritreretiko, ny Full Gospel Business Men dia nitàna anjara lehibe tamin’ny fandrodanana an’ireo rindrina ireo, ka nilaza fa, “Tsy misy fahasamihafana aminay. Ndao isika hiaraka sy hanompo an’Andriamanitra eo ambanin’ny fitsipika anankiray, fa tsy eo ambanin’ny anaram-piangonana iray.” Raha anaram-piangonana iray ilay izy, dia hiala eto amin’ity lampihazo ity izao dia izao aho. Tsy misy ifampiraharahako amin’izany.

16

NY TENY VOAMBARA

Inona ilay izy, izany dia ho lasa firaisana anankiray, fa tsy firaisan’ny karazana fanekem-pinoana. Fa firaisana ao amin’i Kristy, amin’alàlan’ny herin’ny Fitsanganany, izany no zavatra izay mitondra Fiainana. Mitondra fahaterahana izany. 78

Ary mialohan’ny nahatongavan’ny fahaterahana, dia fantatsika fa tsy maintsy nisy fahafatesana mialohan’ny fahaterahana. Ary ny fahaterahana dia fahalotoana anankiray, tsy ahoako na inona ilay karazana fahaterahana. Raha ao anatin’ny tranon-kisoa izany, na—na aiza na aiza ilay izy, dia fahalotoana anankiray izany. Ary dia toy izany ny Fahaterahana vaovao, manao anareo hanao zavatra izay matetika tsy noheverinareo hatao ilay izy. Saingy rehefa vonona ny ho faty ny aminareo ianareo, amin’izay fotoana izay ianareo dia nateraka indray, olom-baovao ao amin’i Kristy Jesosy, avy eo ny zavatra, manokatra ary lasa fijery vaovao eo aminareo ny fiainana, satria nanaiky ny Tenan’i Jesosy Kristy ianareo, fa tsy karazana foto-kevitra na karazana fanekem-pinoana. 79

Na, na dia eo amin’ny Teny voasoratra aza, hafainganina amin’ny alàlan’ny Fanahy Masina Izany. Tsy mampaninona na firy ny teolojia anananareo, mitsiatra maty eo izany. Afaka manana vary eran’ny tànana aho; mandra-piditr’izany ao amin’ilay ambaratonga izay hahafahan’izany ho hafainganina, tsy ho velona mihitsy ilay vary. Ary afaka manana diplaoman’ny mpampianatra anankiray ianareo, Ph., LL., na inona na inona irinareo; saingy mandra-pahatongan’ny Fanahy Masina eo amin’izany ka manafaingana izany aminareo, ho toy ny fahatsapana manokana miaraka amin’Andriamanitra, dia tsy manao ny tsara ilay vary. Zava-poana ny nianaranareo. 80

Tahaka an’ity lehilahy Anglisy nilaza tamin’ilay indray alina teto, tena talanjona aho tamin’izany. Ny fianarana rehetra izay nananany, tahaka an’i Paoly, tsy maintsy nanadino izay rehetra hainy izy, mba hahitana an’i Kristy, hanaovana zavatra izay noheveriny tsy hataony. 81

Saingy izany no fomba ataon’Andriamanitra, mampietry antsika Izy ao amin’ny rafi-pampianarantsika. Tsy toy ny hoe miezaka manohana ny tsy fahalalana aho, fa miezaka aho ny miteny aminareo an’ilay fahasamihafana. Tsy afaka mitondra Fiainana mihitsy ny fampianarana. Anjaran’ny Fanahin’Andriamanitra ny mitondra Fiainana, ary izany Fiainana izany dia tsy tokony hivoaka avy ao amin’ny fifohazana ara-tsaina fotsiny. Tsy maintsy mivoaka avy ao amin’ny Baiboly izany, fifohazan’ny Teny, ary izany Teny izany dia tsy miova omaly, anio, ary mandrakizay. Ary raha latsaka Izany androany, ka afainganina, dia mahazo ny vokatra mitovy amin’ny nataonareo ao amin’ny Asa 2 82

FAMORIAN-DRANO MITRIATRIATRA

17

ianareo. Izany tokoa. Nahazo foana io, ary ho toy izany foana io, satria izany no Fanahin’Andriamanitra izay mamolavola an’ilay hafanana. 83 Anjaran’ilay hafanana no manao zavatra. Izany no antony nampianarana foana anareo olona ireo, “Ento aty ny zanakareo.” Eny, azo antoka fa marina izany. Faly aho nahita ny zanakovavy, Rebekah, tonga ka nipetraka, minitra vitsy lasa izay. Ny sasany aminareo nahita ahy minia tsy mahita vehivavy, zanakovavy io, koa niditra izy ary nipetraka. Tiako izy mba handray ny batisan’ny Fanahy, ary izany no antony maha-eto azy ato amin’ny fivoriana. Izany no tanjon’ilay izy. Mitondra hafanana izy io. 84 Tahaka ny nilazan’ny Dokotera Bosworth taloha hoe, “Afaka maka atodin’akohovavy anankiray ianareo ka mametraka azy ao ambanin’ny zanak’alika anankiray, hafoy akoho anankiray izany.” Nahoana? Satria atody iray ilay izy ary nahazo an’ilay hafanana tsara. 85 Tsy ahoako ianareo na Metodista, Batista, Presbyterana; ao amin’ny hafanana tsara, hafoy zanak’Andriamanitra anankiray nateraka indray izany, milaza ny Teny. Ilay hafanana no manao an’ilay izy, tsy mampaninona izay tarata sim-pamantaran’anaram-piangonana anananareo. 86 Niandry biby fiompy aho fahiny. Voatsikaritro ilay mpiandry saha rehefa naka azy ireo tao anaty ala izahay, avy ao amin’ny—avy ao amin’ilay tany famahanana tery ambanin’ireo toeram-piompiana, ka nametraka azy ireo tao anaty ala. Nijoro teo izy ary nandinika raha nandalo teo amin’ilay vavahady izy ireo, eo amin’ilay fefy mahitsy. Tsy dia noraharahiany loatra mihitsy ireo marika, satria nisy karazana marika rehetra nandalo teo. Saingy misy zavatra tokana nomarihiny, ilay taratasim-pamantaran-drà. Tsy maintsy tena taranaka Hereford anankiray ilay izy raha tsy izany dia tsy afaka ny handeha ao amin’io ala io izany, satria ny Hereford Association no misafo an’io ala io. Tsy maintsy manana taratasim-pamantaran-drà anankiray izany, mba hitazonana tsara an’ilay taranaka. 87 Ary heveriko fa izany no fomba hisy amin’ny Andron’ny Fitsarana. Tsy hanontany ahy Izy raha Metodista aho, Batista, Pentekotista, na Presbyterana, fa hijery an’ilay taratasim-pamantarana ny Rà Izy. “Rehefa mahita ny Rà Aho dia handalo anareo Aho.” Izay ilay zavatra. 88 Koa hitantsika fa ireto famorian-drano ireto, rehefa nipetraka nanodidina teo vetivety izy ireo, izy ireo dia…lasa nihandrona izy ireo ary tsy tsara izy ireo. Ary izany avy eo dia lasa, ihany koa, lasa tranon’ny sahona sy androngo sy menarana sy bibikely sy tsimok’aretina, ary inona koa, satria toerana mihandrona anankiray izany izay natosika hankao.

18

NY TENY VOAMBARA

Azonareo eritreretina ve, nanasa avy tany amin’ny tafon’ny tranom-biby anankiray, na avy tany amin’ny trano mihidy anankiray nankao amin’ny tranom-biby, na avy tany amin’izay nisian’ny loto, karazana bibikely sy tsimok’aretina toy inona, sy zavatra hafa, no manasa ao anatin’io famorian-drano io? Ankehitriny, dia ohatra anankiray tanteraka izany an’ny karazana rafitra nataon’olombelona anankiray. Tsy fahombiazana anankiray izy, hatrany am-boalohany. Izany no antony hilany Mpamonjy anankiray. Tsy afaka mamonjy ny tenany izy, tsy afaka manao na inona na inona ho an’izany izy. Very izy, hatrany am-boalohany. Nateraka teto amin’izao tontolo izao izy, feno ota, tonga eto amin’izao tontolo izao izy milaza lainga. Mpandainga anankiray izy, teo am-panombohana, koa ahoana no hahafahany hanao zavatra ho an’ny tenany eto amin’izao tontolo izao? Ahoana no hahafahan’ny lehilahy masina anankiray? 89

Tsy misy lehilahy masina. Tsy misy fiangonana masina. Fanahy Masina ilay izy! Tsy fiangonana masina anankiray, vahoaka masina anankiray; Fanahy Masina anankiray eo anivon’ny vahoaka anankiray izany, izany ny amin’io. Amena. Tsy tendrombohitra masina anankiray izay nijoroan’i Petera sy izy ireo; tsy masina ilay tendrombohitra. Fa ilay Andriamanitra masina izany, teo amin’ilay tendrombohitra, izay nanao azy ho masina. Tsy olona masina anankiray; ny Fanahy Masina nampiasaina tao anatin’io olona io izany, izay manao an’ilay izy ho masina. Tsy ilay olona; fa ilay Tenan’ny Fanahy Masina! Tsy ilay lehilahy izany; satria, lehilahy fotsiny ihany izy, “teraka tao amin’ny ota, novolavolaina tao anatin’ny heloka, tonga eto amin’izao tontolo izao milaza lainga.” 90

Ny rafitra rehetra nataon’olombelona dia hihazona azy avy hatrany ao anatin’io; hanajamba an’ilay zavatra avy ao amin’ilay ara-tsaina izy, ny maso ara-tsaina, izay heverin’izy ireo hoe, “Mikambana amin’ny fiangonana aho, ao amin’ny boky ny anarako. Nanao an’izao aho. Ny raiko dia izao, sy ny sisa.” Toa ohatry ny tena tsara izany; izay, izany dia, tsy misy na inona na inona lazaina hanohitra an’izany. Kanefa kosa, ry sakaiza, hoy Jesosy hoe, “Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita,” mahita, eto, dia tsy midika fa mahita amin’ny masony, fa, “mahalala ny Fanjakan’ny Lanitra.” Raha tsy ateraka ao ianareo! 91

Ahoana no hataon’io evanjelista Batista io, ahoana no hataon’ilay lehilahy izay nijoro tany ka nanakiana sy namazivazy an’ilay Izy? Hitanareo, tsy misy na inona na inona ao aminy mba afaka handray Azy; saingy Andriamanitra no tsy maintsy nanao an’ilay izy, hitanareo. Andriamanitra no nanome azy ny Fanahy Masina. Nasehony fa ity dia tsy fihatsarambelatsihy, ity no Teny. Mandre an’ilay izy avy 92

FAMORIAN-DRANO MITRIATRIATRA

19

amin’ny hevitry ny sekoly fotsiny izy, ary izy ireo dia miezaka ny haka ny—ny fitahian’Andriamanitra rehetra ka mametraka azy any amin’ny andro lasa. 93 Mpitoriteny Batista tanora anankiray, teto vao tsy ela akory, tonga nipetraka teto aninkeo maraina; ary tonga teto amiko izy, ka nanao hoe, “Rahalahy Branham, misy zavatra anankiray ataonao izay diso.” Hoy aho hoe, “Ampio aho.” 94 Dia hoy izy hoe, “Ianao dia, heveriko fa tena tso-po ianao ary olona tsara anankiray, saingy…” Hoy aho hoe, “Misaotra anao, tompoko.” Hoy izy hoe, “Saingy misy zavatra anankiray izay anaovanao fahadisoana.” Hoy aho hoe, “Manantena aho fa ny Tompo ihany no mahita zavatra diso anankiray.” 95 Dia hoy izy hoe, “Eny, misy…Izao no zavatra ataonao izay diso.” Hoy izy, “Miezaka ianao mampiditra eto amin’izao tontolo izao ny asam-panompoana apostolika anankiray, nefa,” hoy izy, “ny asam-panompoana apostolika dia efa nitsahatra niaraka tamin’ireo apostoly.” 96 Hoy aho hoe, “Amin’ny maha-Batista anankiray eo amin’ny Batista anankiray, dia te-hametraka fanontaniana anankiray aminao aho.” Hoy izy, “Inona?” 97 Hoy aho hoe, “Mino ve ianao fa ny Tenin’Andriamanitra dia avy amin’ny tsindrimandry, ny kely indrindra amin’izany?” Hoy izy hoe, “Eny, izany tokoa.” 98 Hoy aho hoe, “Koa, hoy Izy hoe, ‘Aza manampy teny anankiray, na manaisotra Anankiray.’ Fa,” hoy aho avy eo, “Hatoroko anao hoe taiza no nahatongavan’ny Fitahiana apostolika teo amin’ny olona, tamin’ny alàlan’ny teny fikasan’Andriamanitra, ankehitriny dia ianao no manoro ahy ny teny fikasan’Andriamanitra sy hoe oviana no niala tamin’ny olona izany. Hitanao, raha tsy afaka mampiseho an’izany ao anatin’ny Teny ianao, dia—dia adinoy ny mikasika an’izany, hitanao,” hoy aho hoe, “satria mbola mitohy foana Izany.” 99 Tsy nilaza na inona na inona mihitsy izy nandritry ny minitra fohy. Ary dia hoy aho hoe, “Eny, noho izany, rahalahy, te-hanontany anao an’izao aho. I Petera no nampiditra ny hafatra apostolika, tamin’ny Andron’ny Pentekosta. Ary isika rehetra dia mahalala fa marina izany, fa nanana ny fanalahidin’ny Fanjakana izy, izay nomen’i Jesosy azy. Ary ankehitriny dia diniho izay nolazainy. Hoy izy hoe, ‘Mibebaha, ianareo rehetra, ka aoka samy hatao batisa amin’ny Anaran’i Jesosy Kristy ho famelana ny heloka, ary ianareo handray

20

NY TENY VOAMBARA

ny fanomezan’ny Fanahy Masina. Fa ny teny fikasana dia ho anareo, sy ny zanakareo, ary ho an’izay lavitra, na iza na iza hantsoin’ny Tompo Andriamanintsika.’ Koa raha misy toerana anankiray izay Nanesorany an’izany, avy eo dia inona no nitranga tamin’ireo tenin’i Petera tamin’ny Andron’ny Pentekosta?” Hitanareo? Tsia, tsy nitsahatra mihitsy izany! Ry Zanak’ondry malala maty, ny Rànao sarobidy Tsy nanary mihitsy ny Heriny, Mandra-pahatongan’ilay Fiangonan’Andriamanitra voavotra Ho voavonjy, tsy hanota intsony. Koa ao amin’ilay hira mihaja indrindra, mamy indrindra, No hirako ny Herinao mamonjy, Rehefa ity lela mahantra mibadabada, miambakavaka ity No matory mangina ao am-pasana. Hanampy ahy anie Andriamanitra hino an’Izany ka hihazona an’Izany, ary isika rehetra, ka hijoro amin’Izany, satria Izany no Fahamarinan’ny Filazantsara! Eny, tompoko. 100

Ny olona hendry dia tsy hijery an’ireo zavatra ireo mihitsy. Ary mahafantatra fa tsy hety ireo. Tsy nety mihitsy ireo. Ny fivavahana voalamina anankiray sy fahatsapana voalamina anankiray dia tsy hety mihitsy ao amin’ny Fanatrehan’Andriamanitra. Izany dia tokony ho tonga, tsy nampifangaroina, avy amin’Andriamanitra. Tsy mbola nampiasain’Andriamanitra mihitsy izany, tsy nisy fotoana taloha mba nampiasain’Andriamanitra rafitra tahaka an’izany. Ankehitriny ianareo, oh, ianareo maka mpikambana sy ny zavatra tahaka an’izany. Saingy ny tiako ho lazaina dia ilay tena taranak’Andriamanitra, ilay Fitahiana tahaka an’ilay nilatsaka tamin’ny Andron’ny Pentekosta, tsy tonga amin’ny alàlan’ny rafi-pandaminana mihitsy izany; tonga amin’ny alàlan’ny fahaterahana anankiray izany, nateraka indray. 101

Nasaina isika haka an’Isiraely ho—ho ohatra iray, izay naha-izy azy ireo. Mariho, “Nahafoy Azy izy ireo, ilay loharanony voaomana, ka nihady famorian-drano ho an’ny tenany.” Azonareo eritreretina ve ny—ny—ny—ny zavatra, rehefa eo amin’ny fantsakana mamoaka rano anankiray ny olona, misotro, dia avy eo te-hanao famorian-drano ho azy, hitanareo, mba hisotroana avy ao? Ankehitriny izany no nolazain’ilay mpaminany, izany no nolazain’ny Tenin’Andriamanitra. Izany no nolazain’Andriamanitra tamin’ilay mpaminany. “Nahafoy Ahy ianareo ary—ary nandao Ahy, ilay loharanon’ny rano velona; ka nihady famorian-drano ho an’ny tenanareo, izay mitriatriatra, ary mitete izy ireo.” 102

FAMORIAN-DRANO MITRIATRIATRA

21

Jereo ny zavatra anankiray, nila zavatra anankiray izy ireo izay azony nofehezina, na mampiseho izay nataon’izy ireo. Izany dia ny—izany dia ny hadalan’ny fivavahana voalamina. Miezaka foana ilay izy, mila manana zavatra ao amin’izany ny tenan’izy ireo. Nila nanana an’ireo rafitra rehetra sy fikambanana izy ireo, sy ny sisa, “Ary izaho dia an’ity ankehitriny.” Raha tokony ho zanak’Andriamanitra manetry tena fotsiny, dia mila zavatra izay nampiseho ny tenany izy ireo. Raha tokony hamela an’Andriamanitra hanao an’ilay izy amin’ny Fombany, dia nila nanao an’izany tamin’ny fombany izy ireo. Ary izany no fomba nahazoan’ireo rafitra an’ilay fiangonana ankehitriny. Tsy…Ny rafitra tsirairay, ny iray mila an’ity fomba ity, ny iray mila an’izao fomba izao. Raha Metodista anankiray ianao, dia tsy maintsy amin’ity fomba ity izany ianao. Batista anankiray, ity fomba ity. Presbyterana anankiray, Katolika, na inona koa, nanana ny rafiny izy ireo. Tsy misy manohitra an’izany, saingy tsy izany no resahako. 104 Ny olona dia mila ny fombany hanaovana an’ilay izy, ary Andriamanitra nanana ny Fombany hanaovana an’ilay izy. Ary hoy Izy hoe, “Mifikitra amin’ny fombanareo ianareo, famorian-drano mitriatriatra anankiray; ary tsy hanaiky ny Fombako, ny fomban’ny Fiainana.” 105 Ary izany ilay zavatra mitovy tahaka ny amin’izao andro izao. Tsy mba niovaova kely fotsiny ilay izy. Eritrereto hoe adala manao ahoana moa ny olona anankiray izay mandao fantsakana mamoaka rano anankiray izay mangarangarana madio miboiboika, nefa avy eo izy dia lasa mankany amin’ny famorian-drano mitriatriatra anankiray izay nataon’ny tenany, ary mihady famorian-drano anankiray, miaraka amin’io fako izay eo amin’ny tampon’ilay tranom-biby manasa ao anatiny io, avy eo dia misotro avy amin’izany. Misy zavatra ara-tsaina tsy mety tokoa amin’izany olona izany. 106 Ary rehefa ny lehilahy anankiray no mamikitra amin’ny—ny fiheverana ara-pivavahana ny Soratra, raha tokony hanaiky ny Fanahy Masina izay manamarina ny Soratra ka manao Azy ho tena misy aminareo, dia misy zavatra ara-panahy tsy mety amin’izany olona izany. Tena marina izany. Azo antoka, ny Fanahy Masina! Ny tsirairay dia manana fandikana anankiray ny amin’ny Baiboliny, izay heverinareo ho marina. Tsy mila ny fanampianareo Andriamanitra. Tsy mila ny fandikanareo Andriamanitra. 107 Andriamanitra no mpandika ny Azy Manokana. Andriamanitra no manao ny fandikana amin’ny fomba izay Izy—ny fomba izay Izy no milaza ny Hanaovany azy. Ny Tompo no nilaza tany amin’ny voalohany hoe, “aoka hisy mazava,” dia nisy mazava. Tsy mila fandikana izany. Izany no nataon’Andriamanitra. Hoy Izy hoe “hitoe-jaza ny virijiny,” nitoe-jaza izy. Tsy mila fandikana izany. Nilaza Izy 103

22

NY TENY VOAMBARA

fa Izy dia “handrotsaka ny Fanahiny amin’ny nofo rehetra,” nandrotsaka Izy. Tsy mila fandikana izany. Andriamanitra no mandika ny Teniny Manokana amin’ny fanamarinana Azy, sy maneho Azy, ary manaporofo Azy. 108 Izany no hanaporofoina ny mpaminany anankiray hoe avy amin’Andriamanitra. Hoy Izy hoe, “Raha misy anankiray eo aminareo, izay ara-panahy na mpaminany, Izaho Tompo no hampahafantatra ny Tenako aminy ao amin’ny fahitana, hiteny aminy amin’ny alàlan’ny nofy. Ary raha izay lazainy no miseho, dia matahora azy; fa raha tsy miseho izany, dia aza manao an’izany.” 109 Izany dia zavatra mitovy rehefa miteny ny Teniny Andriamanitra, ka ny olona manao hoe, “Ny Teny dia Ity,” ary izao fomba izao no hitrangan’izany, avy eo dia Andriamanitra no manao an’ilay izy. 110 Fa rehefa miteny izy hoe, “Ity fomba ity izany, ary efa lasa ny andro,” nahoana izany no maka ny…Maninji-tànana amin’ny hanoana-mofo izy, eo an-tànany, amin’ireo ankizy, ka manaisotra izany eo amin’izy ireo; ary noana izy ireo. Nahoana ianareo no te-hisotro avy amin’ny famorian-drano anankiray nefa teo io fantsakana mamoaka rano io? 111 Inona ny loharanon’Aina anankiray ankehitriny? Inona ilay loharanon’Aina, loharanon’ny Rano velona? Ny fantsakana mamoaka rano anankiray, hampitaha Azy io isika. 112 Ankehitriny dia tiako ianareo hanamarika ny fahasamihafana eo amin’ny famorian-drano anankiray sy ny loharanon’ny rano velona anankiray; fantsakana mamoaka rano, sy famorian-drano mitriatriatra tranainy anankiray teo feno bibikely, androngo, sahona, tsimok’aretina, inona koa, hitanareo. 113 Ary io ny fantsakana mamoaka rano anankiray. Ankehitriny diniho io. Izy io dia miahy tena. Tsy mila manana rafitra lehibe ianareo ka mitondra vola betsaka ao anatiny. Tsy mila manambatra mpikambana betsaka ianareo. Miahy ny mpikambany izy, avy amin’ny Fanahin’Aina ao anatiny, miasa. 114 Mariho ilay rano izay mivoaka avy ao aminy, mamy, mangarangarana ary madio. Tsy famorian-drano anankiray, zavatra mihandrona izay hifatraran’ny fisainana efa-polo, dimampolo samifaha, manao hoe, “Ity no marina, ary izao no marina, ary ity fiheverana ity,” dia mifidy ka miantso, ary tahaka ny ataon’izy ireo, ka avy eo dia manao anaram-piangonana anankiray avy amin’izany. Mangarangarana sy madio io, Tenin’Andriamanitra tsy nampifangaroina, avy amin’ny tànan’Andriamanitra. Tena fantsakana mamoaka rano io. 115 Mariho, ny zava-miafin’ny heriny dia ao anatin’ny tenany. Tsy afaka mahita an’izany ny olona. Karazana hery manosika anankiray, ao ambaniny, izay manao azy hiakatra.

FAMORIAN-DRANO MITRIATRIATRA

23

Tsaroako tamin’izaho, taloha, mpiandry ala an’ny fanjakana Indiana. Taloha aho nandalo teo amin’ny, tao Harrison County, fantsakana anankiray, loharano anankiray. Niboiboika foana izy io. Ary dia, oh, tahaka ny hoe izy no zavatra tena sambatra indrindra. Na oram-panala no tonga eo amin’ny tany, ranomandry, namanala, na mangatsiaka toy ny inona, mbola miboiboika izy; raha ireo dobo sy fitehirizan-drano nataon’olombelona kosa, miaraka amin’ny sahona sy ny sisa, no nivoaka avy tao namanala, nivaingana. 117 Ary izany dia maneho fa ny anaram-piangonana rehetra, amin’ny alàlan’ny tsy fahampiana kelin’ny Fanahy na fiovana kelin’ny hafanana, dia hamanala. Saingy ny fantsakana mamoaka rano an’Andriamanitra kosa, Izy no—Izy no tsy miova omaly, anio, ary mandrakizay, tazoniny hiboiboika ny zavatra rehetra avy ao aminy ary atosiny hivoaka avy ao aminy. Ary tsy misy na iza na iza ao amin’izany, hatrany am-boalohany. Ny minitra idiran’izany ao aminy, dia havoakany amin’ny làlany izany. 118 Io zavatra io dia niboiboika tahaka izany, dia hoy aho hoe, nipetraka teo aho indray andro, nieritreritra aho hoe, “Mino aho fa hiresaka amin’io loharano io aho, fotoana fohy monja.” Nesoriko ny satroko, ka hoy aho hoe, “Inona no tena mahafaly anao? Inona no tena mampiboiboika anao? Satria angamba misotro avy aminao ireo diera, indray mandeha.” Raha afaka niteny izy, dia ho nanao hoe, “Tsia.” Hoy aho hoe, “Satria angamba misotro avy aminao aho.” “Tsia, tsy izany.” 119 Hoy aho hoe, “Eny, inona no manao anao ho tena mangarangarana, tena madio? Koa inona—inona no aboiboikany, ilay manao anao hiboiboika, feno hafaliana mandritry ny andro, ka tsy misy mahavita anao hamanala? Ianao mifantsitsitra eny amin’ny rivotra, nefa tsy misy na inona na inona; rano madio.” 120 Raha afaka niresaka tamiko io, fantatrareo ve hoe inona no ho lazain’io fantsakana io? Hilaza izy hoe, “Rahalahy Branham, tsy izaho akory no miboiboika, zavatra aoriako izany, mampiboiboika ahy.” Ary izany ilay fomba. Maivana izany teny izany, saingy fantatrareo izay tiako ho lazaina. 121 Ary izany no fomba miaraka amin’ny fahatsapan’ny fahaterahana indray. Tsy afaka mitana azy ianareo. Izany dia fa—fantsakan-drano anankiray ao anatinareo, miboiboika ao amin’ny Fiainana mandrakizay. Hitanareo, misy zavatra mikasika an’ilay izy, izay tsy misy hifandraisanareo aminy. Ny fitehirizan-drano nataon’olombelona dia mety hamanala, ary mangataka fifohazana sy ny sisa izy ireo; fa ny olona anankiray izay ao ambanin’io Loharano io kosa, miaina ao 116

24

NY TENY VOAMBARA

anatin’io Loharano io, dia andro aman’alina izany! Tsia, tsy tokony miandry ny orana eo an-toerana ianareo sy fifohazana eo an-toerana. Feno an’Izany ianareo. “Izaho no hanome azy loharanon’Aina, ao anatiny, miboiboika.” Misy zavatra ao Anatiny, izany dia mamy isan’andro, mangarangarana ary madio. Izany no Tenin’Andriamanitra tsy nampifangaroana ao anatin’ny fo sy vavanareo, manamarina ny Tenany, miteny ho an’ny Tenany. Tsy ahoako na manorana, na oram-panala, na inona karazan’ny toetr’andro, faly foana ianareo satria ao anaty ao ilay Fanahy Masina miboiboika. Izany no Hery miafina. Mariho. Oh, izany no zava-miafina izay ao anatiny. 122 Izany no manome avy ao amin’ny tenany, malalaka, ho an’izay rehetra hisotro ka hampiasa ny hareny. Ankehitriny ianareo tsy haka ao, hanao hoe, “Eny, ankehitriny aho dia tsy maintsy handeha any amin’ny fiangonana Metodista fotsiny satria Metodista aho, ho an’ny fifohazana anankiray. Tsy maintsy handeha eto aho, saingy (raha) tsy maintsy mandeha any amin’ny Pentekotista aho satria fifohazana Pentekotista aho.” Hiteny aminareo aho, rehefa azonareo io fantsakan’ny Rano mitsambikina io, io Loharano io, rehefa misotro avy eo ianareo, dia tsy misy fahasamihafana, fa manome ho an’ny zavatra rehetra izay mandalo ianareo. Sitrakareo ny hanome fanantenan’ny Fiainana ho an’ny Katolika anankiray, ho an’ny Protestanta anankiray, ho an’ny Jiosy anankiray, ho an’ny athe anankiray, na inona na inona izany. Ianareo dia tena, tena nahazo Zavatra ao anatinareo, izay manao an’ilay izy. 123 Mahamarika zavatra hafa anankiray ianareo mikasika an’izany, tsy tokony mipaompy azy ianareo. Tsy tokony misintona azy ianareo, sy mipaompy azy. Nahita maro tamin’izany aho hany ka nankarary ahy ilay izy, mipaompy zavatra; milalao andiana mozika anankiray, dia mitsambikina ambony sy ambany, na—na andiana literatiora anankiray eo amin’ny tanàna, ary famantarana goavana be, “Ny lehilahin’ny ora.” 124 Anankiray ihany ny Lehilahin’ny ora, ary izany dia Jesosy Kristy, Izay tsy miova omaly, anio, ary mandrakizay. Anankiray ihany ny Iraka avy amin’Andriamanitra, ary izany dia—izany dia Jesosy Kristy. Eny, tompoko. 125 Tsy tokony mipaompy an’Ity ianareo, na misintona Azy. Na, tsy, tsy tokony mampikambana Azy ianareo. Maka Azy fotsiny ianareo, malalaka. Amena. “Izaho no Loharanon’ny Rano velona; nandao Ahy ianareo, mba handeha ka hanao karazana fitehirizan-drano ho an’ny tenanareo.” Ankehitriny tsy tokony mipaompy Azy ianareo, mipaompy Azy, misintona Azy, sy mampikambana Azy, mihady Azy, tsy misy zavatra hafa. Tokony maka avy ao Aminy fotsiny ianareo, malalaka. 126 Tsy mila teolojia nataon’olombelona ianareo ho vorodamba fitantavanana, na, hiteny aminareo hoe inona no

FAMORIAN-DRANO MITRIATRIATRA

25

handinihana an’Io, inona no nataon’Io. Tsy misy. Karazana teolojia nataon’olombelona avy amin’ny karazan-drafitra ara-pampianarana, fivavahana manamarin-tena ao amin’ity, ao amin’ity, na karazana famorian-drano an’ny rafitra ara-pivavahana; tsy ilainareo izany. Tsy tokony mankao izany. Vao asianareo vorodamba eo ambonin’Izany, dia hatsipin’Io manontolo eny amin’ny rivotra izany. Tsy misy hifandraisany amin’izany. Miahy tena Io! Izany dia ny Herin’Andriamanitra mitsambikina ao amin’ny Fiainana. Nahoana ny olona anankiray no nandao zavatra tahaka an’Izany, ny mikambana ao anatin’ny rafitra anankiray, dia mihoatra lavitra noho izay azoko lazaina. Tsy mila vorodamba fitantavanana Io. Tsy mila an’izany Io. Tsy mila ho izany Io, tsy mila miankina amin’ny orana eo an-toerana ho an’ny famenoany. Feno lalandava Izy io. Amena. 127 Lehilahy anankiray, reko izy ireo nanao hoe, “Tao anatin’ny toeram-panariam-pako fotsiny aho androany.” Oh, oadray! 128 Oh, izaho dia faly fa miaina ao amin’ny Fanatrehan’Andriamanitra, na mandeha tsara ny zavatra na tsy tsara. Izy no Fiainako. Amena. Izy no Fiainantsika. Izy no Fiainana, ilay Fiainana be dia be. Eny, tompoko. Ary—ary jereo izay ataon’Izany ho antsika. Ny heriny sy ny fangarangarany dia ao anatin’ny Tenany. Tsy mila fanomanana avy amin’ny famorian-drano na rafitra hafa Izy. 129 Nisy olona nanao hoe, “Eny, inona no kara-piraisanao? Aoka ho hitanay raha Batista tsara ianao. Ho hitako raha manana karatra ianao. Na—na, Pentekotista tsara, raha an’ny Tokana ianao, an’ny Roa, an’ny Telo, na—na inona koa.” Hitanareo, tsy mila fanomanana Izy io. Fandehanana foana Izy io. Hia. 130 Fantatrareo, nanana an’io famorian-drano tranainy io aho taloha, tsy maintsy nampidina rano aho tany dia manomana dia manomana dia manomana, miaraka amin’ilay paompy sintonina tranainy, mba hahazoana azy avy ao; fantatrareo, mampidina rano maromaro ao anatiny, ary dia nampidina fotsiny andiana bibikely sy ny sisa ao, mampiakatra bibikely sy ny sisa. Izany fotsiny ny mikasika ny fomban’ireo fifohazana ara-rafitra ireo. 131 Saingy, isaory Andriamanitra, “Misy Loharano iray feno Rà, izay hitsobohan’ny mpanota ao ambanin’ilay riaka!” Tsy manao mpikamban’ny fiangonana ianareo; manao Kristiana avy amin’izy ireo ianareo rehefa tonga eo amin’izany Loharano izany izy ireo. 132 Nahoana no ilaozanareo ilay Loharanon’ny rano velona, mba hisotroana eo amin’ny lavapiringa tahakan’izany? 133 Tsy paompina; ny Heriny dia ao anatin’ny tenany. Tsy mila fanomanana izany, eny, tompoko, fa (Ny Tenany) ny Fiainany Manokana dia ao amin’ny Tenany. Izany no fomban’ny voan’Andriamanitra ao amin’ny fon’ny olona. Ny

26

NY TENY VOAMBARA

Ain’Andriamanitra dia ao amin’ny isam-batan’olona, fa tsy ao amin’ny fiangonana. Ao aminareo, ao aminareo izany, ianareo no tokana izay manana an’ilay tsirin’Aina ao aminareo. 134 Ny fanandramana indray mandeha an’Izany fotsiny dia mandresy lahatra an’ireo karazana mpitondra fivavahana rehetra. Anontanio ny pretra Katolika, anontanio ny Batista, na inona izy na inona. Ny fanandramana an’io rano mamy lehibe an’ny fantsakana io, lazaiko anareo, dia mandresy lahatra fa Izany no Fahamarinana. Ny fanahinareo noana, na manao ahoana, mandresy lahatra ny hetaheta izany, na manao ahoana. Ankehitriny raha tsy manana hetaheta ianareo…Ity Batista kely, tsy nanana hetaheta izy, hatrany am-boalohany; saingy rehefa nangetaheta izy, dia tena tsara tsiro ilay rano. Marina izany, saingy tsy maintsy manana hetaheta ianareo, “ilay hetahetam-pahasambarana,” araka ny niantsoan’i Jesosy azy. “Sambatra ianareo raha noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa ianareo no ho fenoina.” Ary Jesosy no niteny an’izany, ry sakaiza. Eny, tompoko, Loharanom-pahasambarana anankiray ho an’ny mangetaheta Izany. 135 Nahoana ny sasany no te-hanolo an’Izany amin’ny farihy anankiray? Ahoana no hitiavanareo hanolo fantsakana mamoaka rano anankiray amin’ny ranon’ny farihy, feno bibikely sy areti-mifindra avy amin’ireo karazana foto-kevitra nataon’olombelona rehetra, izay nolazain’Andriamanitra fa, “Manampy anankiray amin’ny Teniny, na manaisotra anankiray amin’ny Teniny, ny anjarany dia ho esorina ao amin’ny Bokin’ny Fiainana”? 136 Ary rehefa nampanantena Andriamanitra fa Hamarininy ity Teny ity amin’ny taranaka rehetra, “Fa ny teny fikasana dia ho anareo sy ny zanakareo, ary ho an’izay rehetra lavitra, na iza na iza hantsoin’ny Tompo Andriamanitsika,” nahoana ianareo no hipaompy karazana paompin-drafitra izay efa tratry ny areti-mifindra nandritry ny taona maro, avy amin’ireo mana tranainy? Angamba nety tsara ilay mana, tsy misy manohitra an’izany, tamin’ny andron’i Martin Luther, tamin’ny andron’ity sy tamin’ny andron’izao, sy ireo mpanavao hafa, tsy misy na inona na inona mikasika an’izany; saingy izany mana izany dia ilay nilatsaka efa ela. 137 Raha mahamarika isika ao amin’ny Baiboly, fa tsy maintsy isan’andro no nakan’izy ireo an’izany. Tsy maintsy nahazo vaovao izy ireo. Fa vao maharitra kely ilay izy, dia lo izany. Tsy mety lo ilay izy raha tsy simba. Tsy maintsy nisy mikraoba tao anatiny, na zavatra izay—izay nanao azy ho lo. Fantatsika fa toy izany ilay izy. 138 Ary toy izany ireo rafitra! Rehefa nitoetra teo izany avy tamin’ny fifohazana lehibe anankiray ho amin’ny iray hafa, dia lasa tratry ny areti-mifindra sy feno bibikely izany,

FAMORIAN-DRANO MITRIATRIATRA

27

ary tahaka ny famorian-drano feno tsiboboka, araka ny fiantsoanay azy taloha, bibikely tranainy anankiray izay miolankolana ao anatiny ao. 139 Ary izany ilay zavatra miaraka amin’ny fahatsapan’ny olona betsaka ankehitriny. Izy ireo dia—izy ireo dia feno tsiboboka fotsiny, miolankolana avy eo amin’ny anankiray mankeo amin’ny iray, ary ny anankiray mankeo amin’ny hafa, milaza angano izay tsy misy ny Fahamarinana akory mihitsy. Marina izany, miolankolana avy ao amin’ny iray mankao amin’ny hafa. “Metodista aho; nikambana tamin’ny Batista aho. Katolika aho; lasa ity aho. Lasa izao aho.” Tsiboboka fotsiny izany. 140 Oh, adinoy ny zavatra rehetra, fa tongava eo amin’ilay Loharano (Amena!), ilay Fantsakana mamoaka rano, ilay Fanatrehan’i Kristy velona mandrakizay! Izaho dia mino Azy ho ilay Loharanon’Aina tsy mety ritra. Arakaraky ny hangalanareo betsaka avy Aminy, ny fangarangarana ananany, ary ny hatsiatsiaka ananany, ary ny hatsarana ananany, sy ny hamamin’ny tsirony. Efa nanompo Azy dimy ambin’ny telopolo taona aho ankehitriny, fa ny andro tsirairay dia mbola mitombo mihamamy kokoa noho ny andro taloha. Izaho tsy…Nilaza Izy fa tsy hangetaheta intsony ianareo raha nisotro avy amin’ity Rano ity isika. Mariho hoe lehibe toy ny inona moa Izany. Oh! 141 Isiraely dia nanao toy izay nataon’ny maro ankehitriny, nilaozany ilay loharanon’ny rano velona, mba hihady famorian-drano ho an’ny tenany. 142 Ankehitriny hiresaka ny amin’ny fahasoavana mandritry ny fotoana fohy fotsiny, inona ilay fahasoavan’Andriamanitra. Nanana ny lalàna sy ny fitsipika isika, “Ary raha tsy manana ny refy ilaina amin’io fahatsarana io ianareo…Nanana tehina fandrefesana ara-pivavahana aho; raha tsy manana ny refy ilaina amin’izany fotsiny ianareo, ianareo dia tokony ho izany, dia tsy afaka ny ho avy ianareo,” sy ny sisa. Saingy Andriamanitra mamonjy antsika amin’ny fahasoavana, tsy amin’ny tehina fandrefesana. Hitanareo? Fa Andriamanitra, miteny ny amin’ny fahasoavana ankehitriny, hoe ahoana fotsiny no nahatonga an’io hiseho, misotro avy Aminy. Avy amin’io tehina fandrefesana io… 143 Mimonomonona, Isiraely mpimonomonona. Jereo, hoy Izy hoe, “Ary hamangy anareo indray Aho.” Mariho ao anatin’ny Soratra. Mariho, hizaha toetra azy ireo Izy, hamangy azy ireo indray. Isiraely mpimonomonona, teo amin’ny Ranomasina Mena, dia nasaina mba hanaraka Azy avy tao amin’ilay rano mihandron’ny Egyptiana, ho lasa vahoaka afaka. Andevo izy ireo. Nasaina izy ireo ho avy mba ho tonga vahoaka afaka, miaraka Aminy. Nivoaka avy tao amin’ny Ranomasina Maty,

28

NY TENY VOAMBARA

ny Ranomasina Maty; ny Ranomasina Mena, no marina kokoa, nivoaka avy tao amin’izany, niditra tao an-efitra, mba hitondra fisarahana anankiray eo amin’izy ireo sy ireo mpaka tahaka nanandrana naka tahaka an’ilay izy, tsy nisy famoràna. 144 Oh, izany no niteraka ny olana. Ny tsirairay tamin’izy ireo dia maty avy hatrany tao an…na avy hatrany—avy hatrany tao amin’ny ranomasina, Farao sy ny tafiny. Nahita olombelona nandeha tamin’ny alàlan’ny Hery ivelan’ny voajanahary izy ireo, ka dia niverina teo izy ireo ary nanandrana naka tahaka an’izany, nefa tsy tafiditra tao amin’ilay tso-drano. Ary rehefa nanao izy ireo, dia maty izy ireo. Fampitahana ara-nofo izany. 145 Ny olona anankiray izay manandrana manao an’izany, manandrana maka tahaka zavatra, dia manao fampitahana ara-nofo ny amin’ny tena Kristiana marina izy izay. 146 Ny rahalahiko Karana io mahafantatra an’izany. Mandehana any Bombay dia ho hitanareo ny olona any, ny Hindous sy ny sisa, matory ambonin’ny fantsika sy eo ambonin’ny…mandeha eo ambonin’ny fitaratra sy—sy mandeha ao anaty afo, maneho izay mety vitany, sy zavatra tahaka…Izany dia fakàna tahaka ny olona any anaty ala mikirindro any, izay manao izany ho fanatitra ho an’ny andriamaniny. 147 Mahita an’izany isika eo amin’ny fiainana ara-pivavahana, fakàna tahaka ara-nofo, olona anankiray miezaka hitovy amin’ny hafa. Ohatra tokana ihany no tokony hitovianareo, ny hitovy amin’i Jesosy Kristy izany, Izay ny Teny. Ary avy eo rehefa tonga eo aminareo ny Tenin’Andriamanitra, dia hitovy amin’izany ilay izy. 148 Saingy Andriamanitra no nitarika azy ireo avy hatrany ho any amin’ilay tany nampanantenaina, na izany aza. Nahita izy ireo, ihany koa, ny fitehirizan-drano rehetra, rehefa nanomboka nandalo ny an-efitra izy ireo tao amin’ny diany ankehitriny, rehefa avy nisaraka izy ireo, dia nahita fa ny famorian-drano rehetra dia maina, ho azy ireo. 149 Ary hahita zavatra toy izany ianareo, rahalahy, raha vao manomboka ity dia ho any amin’ilay Tany nampanantenaina ity ianareo. Hahita varavarana mihidy ianareo. Tahaka ny nolazain’ilay mpitoriteny kely, Anglikana anankiray, na inona izy, fa, ny zavatra voalohany fantatrareo, ny fiangonany no namono azy. Hitanareo, raha mbola naharay betsaka ny Fanahy Masina koa izy, dia izany no fiafaran’io. 150 Ary isika…ary nahita zavatra toy izany Isiraely, ho ohatra, tamin’ny dian’izy ireo ho any amin’ilay tany nampanantenaina. Maina ny fitehirizan-drano rehetra. Hia, ny dian’izy ireo tao amin’ny fankatoavana ny Teny Nampanantenainy, ny dian’izy ireo, tao amin’ilay

FAMORIAN-DRANO MITRIATRIATRA

29

fitehirizan-drano, dia hitany maina. Ankehitriny dia hitan’izy ireo fa ny fitehirizan-drano—fitehirizan-drano dia tsy azo ianteherana, ho an’ilay dia. 151 Ary raha handeha hanao dia ao amin’ny fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra ianareo, ka miezaka hanakambana an’ity sy hanakambana an’izao, dia hahita ianareo fa tsy hisy fitoeran-drano anankiray eto amin’izao tontolo izao izay hanohana Azy io. Tsy misy mihitsy. Olon-tokana ianareo. Mitarika anareo fotsiny amin’ny fomba izay Tiany hitarihana anareo Andriamanitra. Avy eo, dia nahita zavatra mitovy amin’izany isika ankehitriny, ny fitoeran-drano rehetra dia maina. 152 Saingy ny teny fikasana, dia marina foana, amin’Andriamanitra Izay hihazona ny Fampanantenany amin’ny Olony. Nampanantena Izy ny hikarakara an’izay rehetra nilain’izy ireo, ary dia Nataony izany. Teo anivon’ilay fahafoanana, fitehirizan-drano maina, eritrereto fotsiny izany; ary Isiraely mpitaraina, tao an-efitra, tamin’ny diany! Niantso ny Mpanompony mpitarika Izy, ny mpaminany Mosesy, nankeny amin’ny sisiny, ka nanokatra loharanon’ny rano velona anankiray, avy ao amin’ny Vatolampy anankiray nokapohina, ka tsy nisy maty ireo Zanany nino. 153 Amin’izao andro izao, miteny ny amin’ny fahasoavana izany, amiko. Tsy mendrika hahazo isika. Ny fomba izay nataontsika, ny fomba izay niainantsika, tsy mendrika hahazo isika. 154 Fa Andriamanitra, amin’izao andro izao, tahaka ny teto mihitsy aninkeo maraina, jereo, ho an’ny Metodista, Batista, Presbyterana, Katolika, sy ny rehetra, nanokatra Loharano anankiray Izy. Hebreo 13 no manaporofo an’izany, fa Izy no tsy miova omaly, anio, ary mandrakizay. Koa izany—izany no manamarina, ny Jaona 3:16, “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, fa nomeny ny Zananilahy tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana Fiainana mandrakizay.” 155 Fa nampiakarina ho an’ny fifangaroan-kevitra anankiray izany, satria nimonomonona sy nanota ny olona, ary izy ireo dia nokaikerin’ny menarana ka maty izy ireo; ary ho an’ny famelana ny helok’izy ireo, sy ny fanasitranana ny aretin’izy ireo. 156 Ary izany dia mbola ilay Loharano tsy miova izay misokatra ho antsika ankehitriny, ho an’ny famonjena antsika sy ho an’ny fanasitranana antsika, fanasitranana ara-batana. “Fa Izy no tsy miova omaly, anio, ary mandrakizay.” 157 Ary rehefa ilay Vatolampy izay nokapohina araka ny Teny nampanantenain’Andriamanitra, no nobaikoina, dia nanome fifantsitsiran-drano madio mangarangarana Izany; tsy—tsy nihandrona, tsy nisy areti-mifindra, fa ny

30

NY TENY VOAMBARA

Fanatrehan’Andriamanitra Manokana. Rano mangarangarana, ary namonjy an’ireo rehetra izay nisotro izany. Ankehitriny fantatsika fa marina izany, satria vakiantsika ao amin’ny Testamenta Taloha izany, toy ny tandindona anankiray. 158 Ankehitriny, tsy tokony nisintona azy ianareo, nipaompy azy, nanakambana azy, nandeha tany amin’ny seminera hianatra hoe ahoana no hampiasana azy. Hiteny aminareo izy ireo hoe ahoana no hampiasana azy ao, hitanareo, “Oh, eny, ianareo, raha nandray ny Fanahy Masina ianareo, mino an’izany isika, saingy kosa ianareo—ianareo dia hanao azy amin’ity fomba ity.” 159 Saingy, hitanareo, tsy misy fifehezana amin’izany. Tsy mampiasa ny Fanahy Masina ianareo; ny Fanahy Masina no mampiasa anareo, hitanareo. Hitanareo, ianareo tsy, ianareo tsy natao hampiasa ny Fanahy Masina; ny Fanahy Masina no nahazo anareo. Ny fanomezam-pahasoavana dia tsy zavatra izay alainareo, tahaka ny antsy anankiray, ka mandranitra pensily iray amin’izany. Mamokatra ny tenanareo ho an’Andriamanitra izany, ka mitondra ny tenanareo miala amin’ilay làlana mba hahafahan’ny Fanahy Masina mampiasa anareo. 160 Mariho, tsy tokony nipaompy izany mihitsy izy ireo na nisintona izany, na tsy tokony nanontany mihitsy izy ireo hoe, “Ankehitriny ahoana no ampiasainay ity rano ity?” Satria, fantatr’izy ireo hoe ahoana no ampiasaina azy. Nangetaheta izy ireo. Fantatr’izy ireo hoe inona no anaovana azy. 161 Ary toy izany ny lehilahy anankiray na vehivavy, inona, tsy mihevitra ny hoe inona no fanekem-pinoana na anaram-piangonana misy azy. Raha manana hetaheta an’Andriamanitra izy, dia tsy tokony mihazakazaka miverina any amin’ny seminera izy, tahaka ny nataon’io rahalahy Anglikana io, na rahalahy Britanika, omaly alina, tsy maintsy niverina ka nila hevitra hoe ahoana, tany amin’ny fiangonana Anglikana, ahoana no tsy maintsy ampiasainy an’io fanomezam-pahasoavana lehibe izay azony io, miteny amin’ny fiteny tsy fantatra, ary ahoana no tsy maintsy hanaovany an’ity. Nodakan’izy ireo nivoaka izy, tamin’ny voalohany. Hitanareo? Nangetaheta izy, ka dia nameno azy fotsiny Andriamanitra. Izay ihany ny amin’io. Hetaheta ilay izy, dia Izy fotsiny avy eo no mameno. 162 Tsy tokony manana ny fifehezana ianareo, olona anankiray hiteny aminareo hoe inona no hanaovana azy. Andriamanitra no mitarika ny isam-batan’olona tsirairay ao amin’ny—ny fomba Tiany hanaovanareo azy. Ianareo dia o—olon-tokana, ny tenanareo. Ampahan’Andriamanitra ianareo. Tsy misy olona afaka haka ny toeranareo. Ary tsy misy fomba tsy maintsy hankanesana any amin’ny olona, ka hilaza ankehitriny, izaho tsy maintsy “hanao an’ity miaraka

FAMORIAN-DRANO MITRIATRIATRA

31

amin’io,” na izaho tsy maintsy “hanao an’izao miaraka amin’io.” Tsia, tompoko. Andriamanitra no mampiasa an’io amin’ny fomba izay—izay Tiany. Rehefa mangetaheta ianareo, fantatrareo loatra ny misotro. Ary raha manana hetaheta ianareo izao maraina izao, misotroa avy amin’Izany, izay ihany no tokony hataonareo. Andriamanitra efa nanomana làlana anankiray ho an’ny hetahetan’izy ireo, ny zanaka mangetaheta mandray anjara malalaka amin’ny Tenany. Ary Andriamanitra efa nanomana làlana anankiray ho an’ny lehilahy sy vehivavy rehetra izao maraina izao, izay noana sy mangetaheta. Angamba misy olona mipetraka eto, izay mbola tsy voavonjy mihitsy. Misy olona mipetraka eto izay madiva ho voavonjy. 163

Misy olona eto, mipetraka eto amin’ny maha-mpikamban’ny fiangonana, te-hanao ny tsara ianareo, saingy misotro avy ao amin’ny fitehirizan-drano anankiray ianareo. Tsy hiteny aminareo an’ireo Fahamarinana mihitsy izy ireo. 164

Ny zavatra tokana, hahatongavana, dia maka ny teny fikasan’Andriamanitra ka mankeo amin’ilay Loharano, avy eo dia Izy no hanala an’ilay hetaheta. “Izay misotro avy amin’izany Loharano izany dia tsy hangetaheta intsony.” 165

Mariho ankehitriny hoe ahoana—ahoana no Nanafahany Ny—Ny azy izay nandray an’io rano io, tamin’ny fahasoavana, fa tsy tamin’ny rafitra anankiray na famorian-dranon’ny fianarana anankiray. Manamarina ny Teniny Izy, ho tahirin’ny mpanome-Fiainana anankiray. Firy aminareo eto no mahafantatra fa nandray ny Fiainana ianareo rehefa naka an’ilay Teny sy ny Ranony, fantatrareo fotsiny fa nandray Fiainana ianareo? [Hoy ny fiangonana hoe, “Amena.”—Mpand.] 166

Ndao isika haka, eny, ohatra, ohatra hafa anankiray fotsiny, na roa, ary avy eo dia hamarana aho afaka fotoana fohy fotsiny. Izaho—izaho tsy maintsy manana an’ilay bokotra any ho any. Fa mariho. Mitohy miresaka fotsiny aho, fa tsy milaza aho hoe manao an’ilay izy. Jereo, ndao isika haka ohatra anankiray, olona vitsivitsy fotsiny. 167

Ndao isika haka an’ilay vehivavy teo amin’ny famorian-dranon’i Jakoba, fantsakana nohadiana. Teo no nipetrahany tany. Izay ihany no fantatr’ilay vehivavy, dia io famorian-drano izay nahatongavany haka rano io. Ary teo amin’ny tandrifin’ilay fantsakana dia nahita izy, tao amin’ilay malalaka kely teo, Lehilahy anankiray nipetraka teo, Jiosy anankiray. Fa izy dia Samaritana, tanànan’i Sykara io. Ary hitantsika eto fa io Lehilahy io, io Jiosy io, dia niteny Teny tsy mahazatra tamin’io vehivavy io, nanao hoe, “Omeo Aho hosotroiko.” 168

32

NY TENY VOAMBARA

Hoy izy ankehitriny hoe, “Misy fanavakavahana eto amintsika. Tsy—tsy mety Aminao ny mametraka fanontaniana amiko tahaka an’izany; Ianao izay Jiosy, ary izaho Samaritana.” 170 Hoy izy hoe, “Saingy raha fantatrao hoe Iza ilay niresaka taminao, dia ianao no hangataka Amiko ho sotroina, ary Izaho no hanome anao rano ka tsy tokony manketo amin’ity famorian-drano ity ianao hisotro azy; ho fantsakan-drano miboiboika ao anatinao.” Mariho rehefa hitany fa izany no nanaporofo ho Fahamarinana! 171 Ankehitriny, voalohany, ny olona rehetra dia afaka nilaza an’izany. Saingy hoy izy hoe, “Ianareo milaza fa mivavaka any Jerosalema, fa izahay mivavaka amin’ity tendrombohitra ity.” 172 Hoy Izy hoe, “Avy amin’ny Jiosy ny famonjena. Fantatray izay inoanay. Saingy,” nanao hoe, “mamelà Ahy hiteny aminao zavatra anankiray,” amin’ny teny toy izao, “sady tsy amin’ity tendrombohitra ity, na any Jerosalema. Tonga ny fotoana izay hivavahan’ny olona amin’Andriamanitra amin’ny Fanahy sy ny amin’ny Fahamarinana, fa ny tahaka izany no tadiavin’ny Ray.” Hoy Izy hoe, “Ndeha alao ny vadinao ka mankanesa aty.” Jereo, eto no manaporofo an’io. Eto no mampiseho hoe loharano inona no nisy azy. Nanao hoe, “Ndeha alao ny vadinao ka mankanesa aty.” Hoy izy, “Tsy manam-bady aho.” 173 Hoy Izy hoe, “Marina ny voalazanao.” Hitanareo, ohatry ny tena mifanohitra tanteraka tamin’izay Nanontaniany azy izany, hoy izy, “Ndeha alao ny vadinao.” Hoy izy, “Tsy manam-bady aho.” 174 Hoy Izy, “Marina ny voalazanao.” Hoy Izy, “Satria nanana dimy ianao, ary ny anankiray izay iarahanao mitoetra ankehitriny io dia tsy anao.” 175 Jereo io vehivavy io, tena hafa noho ireo mpisorona tamin’izany andro izany! Ireo mpisorona tamin’izany andro izany dia nahita zavatra efa nitranga nitovy tamin’io, ka nanao hoe, “Devoly izany, famantarana eritreritra, na—na Belzeboba.” Hitanareo, diso tamin’ny fahitana an’ilay Teny nampanantena an’izany izy ireo. 176 Saingy io vehivavy kely io kosa dia nanana fahaizana kokoa ny Soratra noho ireo mpisorona. Hoy izy, “Tompoko, hitako izao fa mpaminany Ianao. Tsy nanana anankiray intsony izahay nandritry ny efajato taona, hatramin’ny Malakia. Saingy,” hoy izy, “nitady anankiray izahay, ary fantatray fa hisy Anankiray ho avy, ny Mesia. Ary raha tonga Izy, dia ho toy izao no Hataony.” Hoy Jesosy hoe, “Izaho no Izy.” Amena. 177 Voamarikareo ve, nilaozany ny sininy teo amin’ny famorian-dranon’i Jakoba, nihazakazaka nankany an-tanàna; 169

FAMORIAN-DRANO MITRIATRIATRA

33

feno avy amin’ny fantsakana mamoaka rano anankiray! Hitany fa tena voamarina tanteraka ilay izy, ary Izy no ilay Loharanon’Aina. Mamelà ahy hampahafantatra azy aminareo. Nilaozany izany; rehefa voaporofo ho Tenin’ny Fiainana Izy. Nilaozany io; ary hitany fa ilay Vatolampy tsy miova, izay nokapohina tany an-efitra, no noporofoina fa nanatrika teo tamin’izany. 178 Mamelà ahy hilaza, fa ilay Andriamanitra tsy miova izay nisy tamin’ny andro lasa, izay resahantsika betsaka, dia manatrika eto Izy ankehitriny; tsy amin’ny alàlan’ny fahalalana ara-teolojika, fa amin’ny fahafantarana manokana ny Fanamarinany fa handatsaka Izy amin’izao andro farany izao, ny Fanahy Masina ao amin’ny Fiangonany. Izy tsy “Izaho ilay Izy.” Mbola “IZAHO NO IZY,” foana Izy, fotoana ankehitriny, foana. 179 Koa dia nanary ny tsirony ilay famorian-drano. Ary toy izany no ataon’ny olona izay milatsaka ao amin’ny herin’Andriamanitra, amin’ny alàlan’ny batisan’ny Fanahy Masina, manary ny tsirony ireo rafitr’anaram-piangonana. Tsy mila intsony an’io sahona mihandrona io ianareo, sy androngo, ary bibikely, sy ny sisa. Misotro avy ao amin’ny Loharano anankiray ianareo izay mamy sy mangarangarana, ny Tenin’Andriamanitra, mamy isan’ora ao amin’ny fanahinareo. Mitovy amin’izany ankehitriny, rehefa voaporofo ho Fahamarinana ny Teny, andramo ka jereo raha tsy marina izany. 180 Na dia nanompo ny fantsakany aza ilay famorian-drano, nanompo ny fotoan’ny fantsakany; saingy, hitanareo, ilay Loharanon’Aina no teo, fa tsy fantsakan’i Jakoba intsony, ho an’ny fisotro ara-panahy. Inona no noeritreretin’izy ireo, raha nisotro avy tao amin’io fantsakana io izy ireo, fa, tena nety tsara ilay izy; saingy ankehitriny ilay Loharanon’Aina Izy Tenany mihitsy no nipetraka teo. 181 Ankehitriny tsy mila rafitra sy rafi-pandaminana izay nananantsika isika. Eo amin’ny andro farany isika. Ary Andriamanitra no nampanantena, amin’izao andro farany izao, ny zavatra izay Hataony. Ary mahita an’izany tanteraka isika, ao amin’ny Teny. Mandre isika an’ilay lehilahy avy ao amin’ny hery miaramila, mijoro, ary mangovitra, ka manao hoe, izy ireo, “Misy zavatra efa voatendry hitranga.” Tsapantsika ny Fanahy Masina mampitandrina antsika fa misy zavatra efa voatendry hitranga. Hitantsika ny zavatra rehetra voapetraka milamina. Koa, ilaozy io rafitra io ka mankanesa eo amin’ilay Loharano. Eny, tompoko. 182 Nanompo ny tanjony, saingy ankehitriny izy dia nifanatrika tamin’ilay Loharano Izy Tenany. 183 Ao amin’ny Jaona 7:37-38, nilaza Jesosy tamin’ny faran’ny andron’ny firavoravoan’ny tabernakely (inona no

34

NY TENY VOAMBARA

Nolazainy?), “Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hankaty Amiko, ka hisotro.” Tena tao anatin’ny vondrona teolojiana anankiray mihitsy! “Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hankaty Amiko, ka hisotro. Fa ny Soratra no nilaza, avy ao amin’ny lalina indrindra amin’ny Vatany no hikorianan’ny reniranon’ny Rano velona.” 184 Misy ny Loharano velona. Izany no Loharano izay nafoin’ny olona ankehitriny. Noho ilay fanekem-pinoana, dia nafoin’izy ireo ilay Loharanon’ny Rano velona. Mamelà ahy hampahafantatra Azy aminareo. Izy, amiko…Ary hamarana aho. 185 Izy, amiko, dia ilay Loharano izay namonjy ny ain’i Hagara, sy ilay zaza, rehefa an-dàlam-pahafatesana tao an-efitra izy ireo. 186 Mino aho fa Izy ilay Vatolampy, ao amin’ny Isaia 32, Izy no Vatolampy ao amin’ny tany mahasasatra. Izy no fialofana amin’ny andron’ny tafio-drivotra. 187 Zakaria 13, Izy no Loharano izay voasokatra ao amin’ny Taranak’i Davida, ho an’ny fahotana. Mino Azy ho izany aho. Ary ianareo? [Hoy ny fiangonana hoe, “Amena.”—Mpand.] 188 Ao amin’ny Salamo 36:9, Izy no loharanon’Ain’i Davida. Mbola Ranon’i Davida Izy, ary ahi-maitso. Izy no Rano avy ao amin’ny renirano kely, ho an’i Davida. 189 Ao amin’ny Genesisy 17, Izy no nono mampinono an’i Abrahama, El Shaddai. Saingy rehefa niala taminy ny ainy, mbola izy…Nilaza Andriamanitra. 190 “Lehilahy anankiray efa zato taona, ahoana no hahatanteraka an’izany zavatra izany? Efa antitra aho, ny vadiko efa antitra, ahoana no hahatonga an’izany zavatra izany?” 191 Hoy Izy hoe, “Izaho no El Shaddai.” Ankehitriny, El dia “ilay,” ary—ary Shaddai dia “nono,” ary Shaddai dia maro, izay midika “Izaho no Andriamanitra manana nono.” 192 Tahaka ny zazakely anankiray izay sorisorena ary marary izy, ary niala taminy ny heriny, miankina eo amin’ny tratran’ilay reny ka minono indray ny heriny. Azo antoka. Tsy hoe fotsiny…Rehefa minono izy, dia tsy sorisorena intsony izy. Eo amin’ny nonon’ilay reny, afa-po izy rehefa azony ny heriny. 193 Ary ny olona rehetra izay haka ny teny fikasan’Andriamanitra ao amin’ny fony, fa, “Ny teny fikasana dia ho anareo, sy an’ny zanakareo, ireo izay lavitra, na iza na iza hantsoin’ny Tompo Andriamanintsika,” dia miantehera tsara amin’izany ka minonoa ny herinareo indray. Ry zaza sorisorena, inoy izany! Ho an’ireo mino izany. 194 Ho an’ilay poety mino, mieritreritra hira maro aho izay nahitan’ireo poety antsika. Nisy anankiray tamin’izy ireo nilaza indray mandeha, Izy…

FAMORIAN-DRANO MITRIATRIATRA

35

Misy Loharano iray feno Rà, Nosintonina avy amin’ny làlan-dràn’ Imanoela, Rehefa mitsoboka ao ambanin’ilay riaka ny mpanota, Dia very ny pentipentin’ny fahadisoany rehetra. Ilay mpangalatra maty nifaly mba hahita An’ilay Loharano tamin’ny androny; Eo aho no tokony, na dia ratsy aza izy, Hanasa an’ireo otako rehetra. Ary isaky ny mahita an’io ony io amin’ny finoana aho Ny fikarakaranao ny ratran’ny fanonjàna, Fitiavana manavotra no lohahevitro, Ary ho izany mandra-pahafatiko. 195 Ho ahy, Izy no Ranon’ny Tenin’ny Fampisarahana, izay mampisaraka anareo amin’ny zavatra rehetra mifanohitra amin’ny Teniny. Izany no Loharano izay inoako ho Izy. Eny, tompoko. Fa, Izany no Rano izay nampisaraka ahy tamin’ny famorian-drano nataon’olombelona, ho amin’ilay Loharanon’ny Rano velona. Oh, ry sakaiza, afaka fotsiny aho…Afaka fotsiny ianareo ny mandeha dia mandeha, miaraka amin’ireo zavatra izay—izay maha-Izy azy amintsika! Izy no Alfa, Omega. Izy no Fiandohana, Izy no Fiafarana. Izy ilay Taloha, ankehitriny, ary ho avy. Izy no Faka sy Taranak’i Davida. Izy no Kintan’ny Maraina. Izy no Rehetrako amin’ny rehetra. 196 Ary, rahalahy, ranabavy, ianareo raha tsy nanana a—a…Nisotro fotsiny tamin’io fitoeran-drano kely nataon’olombelona io, ny fiainanareo rehetra, nahoana izao maraina izao no tsy handao an’izany fitoeran-drano izany ka mankeo amin’ity Loharano ity? 197 Ndao isika hanondrika ny lohantsika fotoana fohy monja. Miaraka amin’ny lohanareo miondrika…[Anabavy anankiray no manomboka mihira amin’ny fiteny hafa. Elanelana tsy voaraki-peo. Nisy olona nanome ny fandikana—Mpand.]…araka ny hevitro, ny antso eny amin’ny alitara. Firy ankehitriny? 198 Izaho—izaho dia tena taitaitra, izaho—izaho dia nitazona anareo ela loatra, nahatonga ahy nanapaka ny hafatro ho tapatapaka. Saingy mino aho fa ny Fanahy Masina no mila anareo hahazo izay tiako ho lazaina. Jereo, tsy misy na inona na inona zava-dehibe amin’izao andro izao afa-tsy ny mitoetra mahitsy miaraka amin’Andriamanitra; hitanareo, ny sakafontsika, na inona izany na inona, na inona na inona. Eto ny Tompo. Ankehitriny, indray mandeha fotsiny aho no mba nandre mikasika an’izany teo amin’ny fiainako, hatramin’izao andro izao.

36

NY TENY VOAMBARA

Ankehitriny ahoana…ianareo rehetra eto, tsy hoe “firy.” Ianareo rehetra izay te-hisotro avy amin’Izany, mitsangàna fotsiny minitra vitsy fotsiny, ho an’ny fivavahana fotsiny. Andriamanitra hitahy anareo. Ny Tompo hitahy anareo. 200 Ankehitriny firy ato, izay—izay mitsangana manatrika ankehitriny, no hilaza, amin’ny tànana mitsangana tahaka an’izao hoe, “Andriamanitra, mihetseha amiko, fenoy fotsiny aho, avelao aho hisotro avy amin’ity Loharano ity. Ary tsy nanao izay mba tsara fotsiny aho, saingy izaho—izaho mila Anao hamela ahy ny amin’izany. Mila Anao hanasa ny otako aho. Ary avelao—avelao—avelao aho, manomboka amin’ity andro ity, fotsiny…”? Jereo fotsiny! Oadray! Misy Loharano feno Rà, Nosintonina avy tao amin’ny làlan-dràn’i Imanoela, Ary mitsoboka ao ambanin’ilay riaka ny mpanota, Dia very ny pentimpentin’ny fahadisoany rehetra. Dia very ny pentimpentin’ny fahadisoany rehetra, Dia very ny pentimpentin’ny fahadisoany rehetra; Ary mitsoboka ao ambanin’ilay riaka ny mpanota, Dia very ny pentimpentin’ny fahadisoany rehetra. 201 Ankehitriny izany, ianareo izay Kristiana mino anankiray, nanaiky an’ Kristy ho Mpamonjinareo manokana ianareo, saingy tsy mbola manana akory ianareo…Ankehitriny raha tsy manana ianareo, izany ilay Loharano. Ilay hany Tokana fantatro dia ilay Loharano avy ao amin’ny làlan-dràn’i Imanoela. Ankehitriny, ary raha maro aminareo eto… 202 Izany dia tahaka an’ilay noresahako fotsiny tamin’ilay indray alina mikasika an’ilay voromahery kely nandeha tao anaty tranom-biby niaraka tamin’ny akoho. Ary tsy nahafantatra zavatra hafa mihitsy izy afa-tsy ny akoho, saingy fantany fa nisy zavatra mikasika azy izay hafa noho ny akoho. Ary avy eo dia tonga ny reniny nikaroka azy, ary nikiakiaka avy tany ambony tany izy. Izany no antsom-boromahery. Hitanareo, tsy maintsy ho voromahery anankiray izy, hatrany am-boalohany, raha tsy izany dia tsy ho nahalala an’izany antso izany mihitsy izy. Hitanareo, izy… 203 Tsy maintsy nisy zavatra tao, nitsimoka, na raha tsy izany dia tsy afaka mamokatra Fiainana mihitsy ilay izy. Ary raha ny Voa, ny Tenin’Andriamanitra, no ao aminareo, dia eto ny Fanahy Masina ankehitriny hampitsimoka an’izany ary hitondra Izany ho tena misy eo aminareo. 199

FAMORIAN-DRANO MITRIATRIATRA

37

Firy ato no tsy nandray ny batisan’ny Fanahy Masina, hanangana ny tànanareo ve ianareo? Ny manodidina rehetra, n’aiza n’aiza, aoka ho tena mahitsy fo, raha tsy nandray ny Fanahy Masina ianareo, ka maniry an’izany, atsangano ny tànanareo. Na aiza na aiza no misy anareo, tazony hitsangana fotsiny ny tànanareo, fotoana fohy monja. 205 Ankehitriny tiako, ianareo mitsangana manodidina sy mijery azy ireo, tiako ny olona anankiray hametraka ny tànanareo eo ambonin’izy ireo. 206 Mino aho izao ankehitriny izao fa ny Fanahy Masina dia hameno ny tsirairay avy aminareo izay mila Izany. Ankehitriny aza mieritreritra momba an’izay sakafo any amin’ny fivarotana any. Ndao isika hieritreritra momba an’ity Sakafo eto ity. Ity no Tokana. Ity no Fiainana. Hitanareo, ity no Fiainana. 207 Ankehitriny mitodiha miankavanana, ny tsirairay aminareo, ka mifametraha tànana. “Ary napetrany tamin’izy ireo ny tànany!” Ankehitriny tiako ianareo hivavaka ho an’ilay olona izay asianareo ny tànanareo… 208 Ankehitriny aza mieritreritra momba ny hivoahana. Aza mieritreritra momba ny zavatra hafa. Eritrereto fotsiny, izao ankehitriny izao, fa eto Fanahy Masina hameno ny isam-batan’olona tsirairay. Sokafy ny fonareo, ario ny ranon’ny famorian-drano rehetra, ka manaova hoe, “O Loharanon’Aina, midira ato amiko. Fenoy aho, O Tompo Andriamanitra, amin’ny Hatsaranao sy famindram-ponao.” 209 Tompo Jesosy, ilay Loharano tsy mety ritra! Mivavaka aho, Andriamanitra, mba Hamenoanao ny tsirairay amin’izy ireo. Enga anie hilatsaka eto ny Fanahy Masina. Mivavaka aho, Andriamanitra, mba ho hadinoinay ny mikasika ny zavatra hafa rehetra; mba hilatsaka eto anivonay ny Fanahy Masina, ankehitriny izao, ka hanome anay an’ilay Ranon’Aina, malalaka, avy eny rehetra eny. Ekeo izany, O Andriamanitra. Raha mbola ny—ny fitohizan’ny vavaka sy hira, miaraka mifangaro, Tompo, mahafantatra fa izany no Fanatrehanao, Fanatrehanao Masina, tianay ny ho tonga eo amin’ilay Loharano. Izahay mila ny tena izy, batisa marina miaraka amin’ny Fanahy Masina. Tompo, mivavaka ho an’Izany ireto olona ireto. Mivavaka aho mba, ity fotoana ankehitriny ity mihitsy, mba ho feno ny fahatsaran’Andriamanitra izy ireo. Ekeo izany, O Andriamanitra. Henoy ny vavaky ny Zanakao. Enga anie Ianao ho tonga eo ambonin’ny tenan’izy ireo, enga anie ny Herin’Andriamanitra, sy ny Fanahy Masina, hitarika azy ireo. Ekeo izany, Andriamanitra. 210 O ahoana no hisaoranay Anao noho ny famelombelomana, noho ny Fanatrehan’Andriamanitry ny Lanitra mahery, mitsangana eo anivonay! Amin’izao ora mitataovovonana 204

38

NY TENY VOAMBARA

izao mihitsy, Tompo, fahano izahay! Tompo, mila Sakafo avy amin’ny Latabatrao izahay. Fahano izahay, Tompo, ankehitriny izao. Fahano ny Fanahy Masina izahay, ao amin’ny fiainanay. Ny fanahinay noana karakaina dia mangetaheta. Araka ny Nolazainao ao amin’ny dikan’ilay hira hoe, “Hampikoriana rano eo amin’ny tany karakaina izany.” Aoka hiseho izany, Tompo. Aoka ny Teninao ho tonga voaseho ao amin’ny fon’ny Zanakao, “Rano eo ambonin’ny maina, tany karakaina.” Andriamanitra Mandrakizay, henoy ny vavaky ny Mpanomponao, ary omeo anay izany Fitahiana izany. Amena. Oh, ahoana no tiako Je-… 211 Manohiza midera Azy fotsiny ankehitriny. Mahità, eto ny Fanahy Masina. Raha tsy mandray Azy ianareo, dia fahadisoanareo izany. Ahoana no tiako Jesosy, “Tianareo mihoatra an’ireo ve Aho?” …tiako Jesosy, Satria tia ahy mialoha Izy. Oh, ahoana no tiako…(Dera ho an’Andriamanitra!) Oh, ahoana no tiako…(Ahoana moa raha ho tonga fotsiny Izy…?…-toana?) Oh, ahoana no tiako Jesosy, Satria tia ahy mialoha Izy. Tsy handao Azy mihitsy aho, Tsy handao Azy mihitsy aho, Tsy handao Azy mihitsy aho, Satria tia ahy mialoha Izy. Mahafinaritra, mahafinaritra, Jesosy amiko, Ny Mpanolo-tsaina, Andrian’ny Fiadanana, Andriamanitra Mahery Izy; Oh, mamonjy ahy, manala ahy ao amin’ny ota rehetra sy henatra, Mahafinaritra ny Mpanavotro, derao Ny… 212 Ndao isika hihira an’izany ho Azy ankehitriny! Mahafinaritra, mahafinaritra, Jesosy amiko, Mpanolo-tsaina, ny Andrian’ny Fiadanana, Andriamanitra Mahery Izy; Oh, mamonjy ahy, manala ahy ao amin’ny ota rehetra sy henatra, Mahafinaritra ny Mpanavotro, deraina Ny Anarany! 213 Ny rehetra izay mahatsapa an’izany, manaova “amena.” [Hoy ny fiangonana hoe, “Amena.”—Mpand.] Oh, haleloia! Mahita olona sasany misintona amin’izany aho ankehitriny, miaraka amin’ny Fanahy Masina.

39

FAMORIAN-DRANO MITRIATRIATRA

Very aho fahiny, ankehitriny aho hita, afaka tamin’ny fanamelohana, Jesosy no manome fahafahana sy famonjena feno; Mamonjy ahy, manala ahy ao amin’ny ota rehetra sy henatra, Mahafinaritra ny Mpanavotro, deraina… Ndao isika hanangana ny tànantsika ankehitriny ka tena hiv-… Oh, mahafinaritra, mahafinaritra, Jesosy amiko, Mpanolo-tsaina anankiray, ny Andrian’ny Fiadanana, Andriamanitra Mahery Izy; Oh, mamonjy ahy, manala ahy ao amin’ny ota rehetra sy henatra, Mahafinaritra ny Mpamonjiko, deraina Ny Anarany. Tianareo ve Izy? [Hoy ny fiangonana hoe, “Amena!”—Mpand.] Oh, mahafinaritra! Dera ho an’io Loharano feno Rà io, izay nanarian’ny mpanota ny fahatahorana olona rehetra, ny fanamelohana rehetra, afaka fotsiny ao Aminy. Haleloia! Oh, oadray, tena mahafinaritra izany! 214

Ankehitriny raha mbola mihira an’izany indray isika, ndao avelantsika ny Metodista rehetra, Batista, Katolika, Presbyterana, inona izany, raha mbola mihira an’ity isika, “Mahafinaritra, Jesosy amiko,” ndao hihodina isika ka hifandray tànana amin’ny tsirairay, hanana fotsiny an’ilay fifangaroana tsara tranainy. Fantatrareo, izaho, izany no tiako. Avia, ndao isika hihira ankehitriny tahaka ny anaovantsika azy. 215

Oh, mahafinaritra, amiko,

mahafinaritra,

Jesosy

[Miresaka amin’ny Rahalahy Branham ny Rahalahy Demos Shakarian hoe, “Rahalahy Branham, naharay teny fotsiny aho momba ny Filoha Johnson, nalefa haingana any amin’ny hopitaly miaraka amin’ny aretim-po, ka angamba tokony hivavaka ho azy isika sy ho an’ny firenentsika.” Mandinika an’izany ireo rahalahy. Nisy nanao hoe, “Ndao isika hiandry iray minitra.”—Mpand.] 216

Mahafinaritra, Jesosy, (marina izany) Oh, Mpanolo-tsaina, Andrian’ny Fiadanana, [Miresaka amin’ny Rahalahy Branham indray ny Rahalahy Shakarian hoe, “Mamelà ahy, mamelà ahy indray, tianao ve ny midina mandritry ny iray minitra fotsiny?” Rahalahy Earl Prickett no mitarika ny fiangonana ao amin’ny hira, 217

40

NY TENY VOAMBARA

Mahafinaritra. Elanelana tsy voaraki-peo. Mihira ny fiangonana Misy Reniranon’Aina Iray. Elanelana hafa tsy voaraki-peo—Mpand.] Hoy ny Baiboly hoe, “Mivavaha ho an’ireo izay manana fahefana.” 218 Rainay any An-danitra, mijoro izahay ao anatin’ny zavatra mahakivy ho an’ny mpitarika ny firenenay, ny Filohanay. Mety tsy fantany mihitsy izao, Tompo, fa Ianao no mahafantatra an’izany. Mivavaka aho ho an’ny Rahalahy Johnson, araka ny filazany fa mino Anao izy. Ary, Ray, aretim-po anankiray, mahalala izahay, no namely azy. Mivavaka aho, Andriamanitra, avoty ny ainy. Izahay dia ao a—anatin’ny krizim-pirenena izao ankehitriny izao, na izany aza. Ary aoka ny Fanahinao ho tonga eo aminy, Tompo. Ary izao ankehitriny izao, any amin’ny hopitaly na aiza na aiza no mety misy azy, ary aoka ny Fanahinao hidina ao amin’io Walter Reed Hospital io ka hikasika ny vatany, hanavotra ny ainy. Tompo, eo ambany fanerena ny lehilahy, fanerena betsaka lavitra noho izay fantatray. Koa mivavaka izahay, Andriamanitra, amin’ny maha-mino sy amin’ny maha-ampahan’ity firenena ity, mivavaka izahay ho an’ny mpitarika anay, mba ho Ekenao anie ny fanalavana ny ainy, ao amin’izao ora lehibe izao, amin’ny Anaran’i Jesosy Kristy. Amena. 

FAMORIA N-DRA NO M I TR IATR IATRA

MAG65-0123

(Broken Cisterns) Ity Hafatr’i Rahalahy William Marrion Branham ity, izay notoriana tamin’ny Teny Anglisy ny Sabotsy maraina 23 Janoary, 1965, tamin’ny fisakafoana marainan’ny Full Gospel Business Men’s International Fellowship tao amin’ny Ramada Inn tao Phoenix, Arizona, U.S.A., dia nalaina avy tamin’ny horonampeo ary natonta manontolo amin’ny Teny Anglisy. Ity fandikana amin’ny Teny Malagasy ity dia natonta sy nozarain’ny Voice Of God Recordings. MALAGASY ©2013 VGR, ALL RIGHTS RESERVED

VOICE OF GOD R ECORDI NGS

P.O. BOX 950, JEFFERSONVILLE, I NDIANA 47131 U.S.A. www.branham.org

Filazana fahefan’ny tompon’ny boky Tsy azo adika. Ity boky ity dia azo atao printy amin’ny fanaovam-printy ao an-trano ho an’ny fampiasana manokana na ho zaraina, tsy misy sarany, ho fitaovana iray hanaparitahana ny Filazantsaran’i Jesosy Kristy. Ity boky ity dia tsy azo amidy, na adika indray amin’ny refy lehibe, na alefa amin’ny siteweb iray, na tehirizina amin’ny fomba nisy nanesorana, na adika amin’ny fiteny hafa, na ampiasaina ho fangataham-bola raha tsy misy alàlana voasoratra mazava avy amin’ny Voice Of God Recordings®. Ho an’ny fanazavana fanampiny na ho an’ny fitaovana hafa efa azo raisina, dia iangaviana hifandray amin’ny:

VOICE OF GOD R ECORDI NGS

P.O. BOX 950, JEFFERSONVILLE, I NDIANA 47131 U.S.A. www.branham.org